Tsaralambana- Faritra analanjirofo – Lozam-pifamoivoizana
Tsy zoviana amin’ny besinimaro intsony izany hoe « lozam-pifamoivoizana» izany, na eny an-tanàn-dehibe na eny amin’ny lalam-pirenena samihafa. Tsy vitsy ny olona maratra mafy vokatr’izany, eny fa na miafara amin’ny fahafatesana mihitsy aza. Indrindra moa fa rehefa harivariva iny no tena fanararaotan’ny tsirairay, izay mahatsiaro tokoa fa efa vitsy mpandeha eny an-dalana, no sady tsy dia misy polisy mpisava firy intsony. Maro amin’izy ireny koa no efa zatra misetrasetra eo amin’ny fandehanana mafy, ny fifaninanana eo amin’ny samy mpitondra ary ny fisisihana manoloana ny fitohanan’ny fiara. Dia izay tokoa no nitranga tamin’ny Sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 04 ora hariva, teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy, faritra Analanjirofo, distrika Fenoarivo Atsinanana, kaominina ambanivohitr’Ambodimanga faharoa.
Satria moto iray ao Tsaralambana no nifandona tamin’ny taxi-brousse Mazda, izay samy mitodi-doha ho any Fenoarivo-Atsinanana, rehefa samy nandeha mafy. Vokatr’izay, naratra mafy ilay mpitondra moto ka nalefa vonjimaika any amin’ny hopitalin’i Toamasina. Marihana etoana moa fa tsy nisy ny aina nafoy, ary ny polisy brigade eny Fenoarivo-Atsinanana kosa no misahana ny raharaha amin’izao fotoana izao.
Anna Ra
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







