Ambatondrazaka – Mirongatra ny halatra saka
Isan’ny biby izay lasa lafo vidy tokoa ny saka amin’izao fotoana izao indrindra fa ao Ambatondrazaka ao. Betsaka no mitady azy io noho ny fisian’ny voalavo manapotika entana. Tsy hay intsony na noho io vidiny lafo io na noho ny antony inona fa mirongatra ny halatra ity karazam-biby fiompin’ny olona ity amin’izao fotoana izao. Raha ny fantatra hatreto dia isan’ny mitondra faisana ny fokontany Ampasambazimba. Tsy zana-tsaka tsy reniny fa dia lasibatra avokoa hoy ny mponina. Efa kinga lahy mihitsy ny mpangalatra izany ary efa manana paikady ho entiny mamandrika azy hany ka raha vao tafavoaka ny trano izy ireny dia matetika, manjavona. Ankoatra ny angalarina hamidy anefa dia eo ihany koa ireo mpivarotra toaka gasy any anaty fokontany any izay voalaza fa mandray azy ireny ka mamadika izany ho lasa tsakin-toaka, izay amidiny amin’ny mpanjifa ao aminy. Hatreto aloha dia fantatra fa manomboka amin’ny 10 000 ariary ny vidin’ny saka iray arakaraka ny halehibeny.
Ange R.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







