Vous êtes ici :

Dimanche 07 Décembre 2025

ombre

Vodihazo !

Fomba fiteny iray efa mahazatra ny mponina eto Antananarivo ity teny iray ity, indrindra ho an’ireo izay zatra mitaingina « fitaterana iombonana ». Anaty fononteny vetivety no ilazana fa tokony ho io teny io no ampiasaina eto fa tsy hoe fitateram-bahoaka akory satria efa an’olon-tsotra daholo izao ireny fiara ireny fa tsy misy intsony ny an’ny orinasam-panjakana toa ny Fibata sy ny Fima taloha tamin’ny andron’ny revolisiona sosialista malagasy. Izay ilay fononteny vetivety tiana resahina eto. Fa raha iverenana ny sehatry ny fitaterana iombonan’ny maro dia maro tokoa ny teny tsy mahazatra ny sofina kanefa ampiasain’ireo mpitatitra sy ny taterina. Ohatra amin’ireny ny hoe : « seza volamena » na « bois de rose » izay entina ilazana ilay seza hazo mandehandeha miala avy amin’ingahy mpamily mpanampy ka ipetrahan’ireo voatery tsy maintsy maka toerana eo afovoany. Vita amin’ny hazo ka tsy mba misy fonony éponge ilay seza no sady nalaza be ny resaka bois de rose tao anatin’ny folo taona izay ka mety nahatonga ny sasany namorona io anarana io. Talohaloha kely tany dia « seza volamena » ihany koa no fiantso izany toerana izany, ilay stranpotin io, ary vaka ny saina rehefa  mandinika ny amin’ny maha volamena azy izany. Ny mety fanazavana akaikikaiky angamba dia ny hoe saika tsy nahazo toerana ilay mpandeha ka soa ihany nisy an’ity … tapatapakazo ity dia izay no maha volamena azy satria nanavotra tamin’ny fitsanganana ela be ao anaty fiara. Isan’ny fiteny iray izay mora takatry ny rehetra ihany koa ilay teny hoe : « voninkazo » izay fampiasan’ny « salaka sy ravim-b… » ! Ity farany dia mazava ihany koa fa ny mpamily sy ny mpanampy azy izay mpitaky ihany koa ny saram-pitaterana no tiana holazaina eto satria ao anatin’ny fiara fitaterana izay tokoa dia tsy afa-misaraka mihitsy ireto karazan’asa roa ireto. Iry voalohany indray dia manondro madimaozely na madama kely izay matetika ihany koa mipetraka eo akaikin’ilay mpamily, izany hoe eny amin’ny devant izany. Io toerana resahina farany io moa matetika mahazaka olon-droa ihany koa ka rehefa manaraka ny patron na ny tompon’ny fiara dia izay ilay fiantson’ny « goal » – ilay mpamily mpanampy io – fa tsy afaka « mandidy » ry zareo fa « mavesatra droite » !  « Pasitera » kosa no filaza ilay ranamana « mpitaingina tamboho » satria hono izy izany no miatrika ny vahoaka rehetra ao anatin’ilay « be tax » na taksibe ary raha sendra ny mpandeha iray na maromaro tsy miala raha tsy any amin’ny faran’ny zotra kanefa nandray fiara tany amin’ny voalohany dia izay ihany koa no antsoina hoe : « national » !

Araky izany, misy karazam-pitenenana maro samihafa ampiasaina eny ambony fiara fitaterana iarahana amin’ny rehetra eny no sady ala hamohamo ihany koa amin’ny fitohanana lavareny izay tsy azo ialàna na aiza na aiza eto an-drenivohitra eto. Ka raha iverenana ary ny teny voalohany amin’ireo izay noraisina, dia ny hoe « vodihazo » izany dia entina ilazana ireo fiara izay … « midongizina » be eny amin’ireny tobim-piatsonana ireny. Ka na efa misy mpifaninana aminy roa na telo aza no nisongona ilay « be tax », dia mbola eo ihany ity farany miezaka mameno ny fiara. Amin’io tranga io mazàna dia mimenomenona izay tsy izy ny mpandeha efa tafiditra ao anatin’ilay fiara ary ireo mpandrindra ny fifamoivoizana aza, mpitandro filaminana io na ireo avy amin’ny kaoperativa, dia tsy mitsahatra mampaneno ny kiririoka eny am-bavan’izy ireo. Mety hahazo sazy mihitsy aza ny mpamily satria mampitohana ny fifamoivoizana no maha be asa ireto mpandrindra ny fifamoivoizana ireto.

Izany tranga farany voalaza teo izany dia ahatsapana fa toa misy raharaha mitovitovy na ny tena marimarina kokoa, mitovy tsy misy valaka aminy eo ambany maso amin’izao fotoana izao. Tsy inona izany fa ny raharaham-pirenena eto amintsika satria dia tsy hita tokoa izay fivoarana sy fandrosoana tao anatin’ity repoblika fahefatra ity. Raha ny ara-tsosialy, ohatra, dia ny omaly tsy miova ihany no iainana satria dia anaty fahantranana lalina hatrany ra-malagasy. Toy izany koa ny jiro sy ny rano ary ny tena marina aza dia vao mainka mitombo ny ora mahatapaka azy. Amin’izao vanim-potoana alohan’ny fidiran’ny mpianatra izao dia be ny ahiahy fa mety hitombo ny zaza tsy hiditra an-tsekoly noho ny tsy fananan’ireo ray aman-dreny. Aiza tokoa aloha no ahitana vola hanaovana ny fisoratana anarana kanefa isan’andro aza zara fa mihinana. Ohatra vitsy amin’ny lafiny sosialy ireo voalaza eto ireo fa sahala amin’izay ihany koa ny ara-toe-karena. Mazava raha nisongona antsika ny firenena maro izay nolazaina vao tsy ela akory izay fa isan’ny firenena tena mahantra eto ambonin’ny tany. Ka raha izany no marina dia firenena « vodihazo » ange izany ilay Gasikara e!

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre