Ambatomasina – Jiolahy iray nodarohan’ ny fokonolona
Tsy mitsaha-mitombo isan’andro ireo malaso manafika sy mangalatr’omby etsy sy eroa. Tsy arak’ireo mpitandro filaminana intsony araka izany ny miaro ny ain’ireo vahoaka sy ny fananany ka tsy maintsy mirotsaka an-tsehatra amin’ny fiarovana ny fanana-keliny ny olon-tsotra. Fanafihan-dahalo mitam-piadiana indray no niseho tany Ambatomasina, Fokontany Andranovatsy Kaominina Andranomamy Ambato Boeny ny sabotsy lasa teo. Malaso dimy lahy nirongo fitaovam-
piadiana toy ny basy sy famaky no indray nanafika ny tanàna. Omby dimy no azon’ireo jiolahy tamin’izany ary nifanenjehan’ny fokonolona izy dimy lahy rehefa nikasa ny hitsoaka. Teo no nahatratrarana ny iray tamin’ireo mpanao ratsy ka niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany. Olona am-polony maro no niara-nidaroka ity farany ary tsy namelan’izy ireo raha tsy niala hatramin’ny ainy mihitsy. Nisy ary ireo izay nikasa ny handoro velona ity malaso tratra ity saingy efa maty izy. Ireo ambiny kosa nahita lalam-poza nitsoahana ka tafatsoaka niaraka tamin’ny omby dimy.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







