Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Boeny – Nozaraina karatra matihanina ireo Mpanjono

Tokony hojerena ny faritra iasan’ny mpanjono sy ny fetra ambany indrindra amin’ny harato ampiasain’izy ireo. Ny zoma 09 septambra 2016 teo, tany amin’ny fokontany Antsanitia, kaominin’i Belobaka, distrikan’i Mahajanga faharoa dia nisy ny fizarana karatra maha matihanina tamin’ireo mpanjono miisa 75. Natao izao hetsika izao mba hahafahana mamantatra marina ny tena isan’ny mpanjono sy ny isan’ny lakana miasa ary mba hirosoana amin’ny sehetra matihanina. Miisa 75 ireo nahazo ny karatra maha mpanjono ary miisa 53 kosa ny lakana nahazo laharana izay nataon’ny fikambanana Ezaka, Fipata, Fimpamy.  Ity hetsika ity dia fandaharan’asa ny ministeran’ny harena anaty rano sy ny jono  izay manerana ny Nosy. Teo anelanelan’ny taona 2012 sy 2013 dia miisa iray hetsy ny mpanjono nahazo karatra ary dimy alina kosa ny lakana nampiasain’ izy ireo.  Ny faritra Boeny no mitana ny laharana faharoa amin’ny isan’ireo mpanjono eto Madagasikara. Any Mitsinjo any Soalala kosa indray no hanohizana ny hetsika.

S.A.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre