Maevatanana – Trano iray nirehitra ka nahakila trano 57 tafo !
Maizin’ny setroka ny lanitra tamin’ny misasak’alin’ny alahady lasa teo, raha toa ka vao omalin’iny no nisehoan’ny doro trano namaivay tany Foulpointe. Loza tsy loza tokoa ny nahazo an’i Bevilany, distrikan’i Maevatanana, fokontany Dudit, kaominina ambanivohitr’i Tsararano, noho ny haitrano iray izay tsy fanta-piaviana ka nahamay trano 57 tafo. Vokatr’izay dia olona 274 no tsy manan-kialofana, ary zandary avy any amin’ny police de brigade any Maevatanana no nidina teny an-toerana avy hatrany nanao ny famotorana. Nampandrenesina ihany koa ny préfet sy ny lehiben’ny faritra eny an-toerana. Raha tsiahivina moa ny zava-nitranga teo aloha, dia azo lazaina fa karazana haitrano telo goavana no efa nitranga tsy ela akory izay. Tao ny haitrano iray nitranga tany amin’ny tanànan’Antobimbazaha, fokontany sy kaominina Tsinjomitondraka, distrikan’i Port-Bergé, ny sabotsy faha-27 aogositra lasa teo ka nahalavenona trano 9 avy hatrany. Ny afakampitson’iny, izany hoe ny 29 sy 30 aogositra lasa teo ihany koa dia nisy ny haitrano nahatsiravina izay nitranga tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Beramanja, distrikan’Ambilobe ka naharavana trano 433 sy tsena 112 ary sekoly iray. Vokatr’izany, olona 4250 no tsy manan-kialofana. Raha iverenana ny zava-nitranga tao Foulpointe, dia fantatra tokoa fa vokatry ny fitselarana herinaratra tao amin’ity tranona fianakaviana mipetraka ao Antananarivo saingy manana mpiambina manokana, no niantombohan’ny afo, ny alin’ny Sabotsy lasa teo. Tsy fantatra mazava izay nahatonga izany fitselarana izany fa vokatr’ izany kosa dia trano 112 no may kila. Vokany, olona 386 no tsy manan-koraisina intsony. Raha mandinika izany toe-java-mitranga rehetra izany, dia olona aman-jatony tokoa no traboina satria dia kila firehitra avokoa ny fananany noho ny tsy fitandremana madinidinika.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







