Soavinandriana – Notifirin’ireo jiolahy ny basy ny lohan’ilay mpivarotra
Tsy tafandry mandry intsony ireo mponina ao amin’iny faritra Itasy iny amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny halatr’omby izay lasa mampalaza azy dia faritra mena malaza amin’ny fanakanan-dalana sy ny fanafihana mitam-piadiana ihany koa izy. Tsy vao ela akory no nisy fanafihana mahatsiravina izay namoizana ain’olona maro tany amin’ity distrikan’i Soavinandriana ity dia izao indray fa namely mafy ireo tsy mataho- tody. Ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina dia tranom-barotra iray no notafihan’andian-jiolahy fito lahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy sy lefona ary antsy maranitra. Araka ny vaovao azo dia efa nandritra ny maraina ireo mpanao ratsy ireo no nandinika avy lavitra ny fomba hanafihana ilay mangazay ka nihaodihaody teny amin’ny manodidina nandritra ny ora maro. Niandry ny andro ho maizina tsara ireto farany ary efa saika hamely saingy nahita ireo mpitandro filaminana nandalo teny an-toerana dia niverina tamin’ny lalany.
Tamin’ny 11 ora alina noho izany ireo jiolahy vao namaky ilay tsena. Ny roa tamin’izy ireo no namoha moramora ny varavarana ary ny ambiny kosa nihodina nanara-maso ny manodidina. Rehefa tafavoha anefa ny hidin-trano dia naneno ny fanairana izay potraka tamin’ny tany ary nanaitra avy hatrany ny tompon-trano. Ity farany izay voatifitra teo amin’ny faritry ny lohany rehefa nitsirika nijery ny zava-misy. Notahin-janahary ilay raim-pianakaviana satria na dia nahavoa azy aza ny bala dia tsy nahafaty azy. Ny vadin’ilay tompon-tsena izay vehivavy 50 taona kosa no fantatra fa folaka valahana vokatry ny fianjerana noho ny fahatairana tampoka. Tsy dia naratra firy izy ireo ary tsy nentina tany amin’ny hopitaly. Vola enina hetsy mahery sy entam-barotra maro no voaroba nandritra io fanafihana io. Ireo dahalo moa nandeha nandositra nianatsimo-andrefana rehefa nitsoka kiririoka ireo tompon-trano. Ireo zandary avy ao Ambatoasana kosa rehefa nandre ny antso dia niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia. Mitohy ny fanadihadiana.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







