Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Loza – Vehivavy roa noteren’ny fiara « Golf » tamin’ny tamboho

Tsy mampilaza tokoa ny loza rehefa hoavy ka mila malina hatrany isika mpandeha an-togotra eny amin’ny sisin’ny arabe. Vehivavy mpandeha an-togotra roa no noteren’ny fiara « Golf » iray tetsy Ampahibe, teo amin’ny toerana antsoina hoe « croisement de la mort » omaly talata maraina. Teto an-drenivohitra mifanitsy amin’ny secmo no nitranga ny loza.  Izany hoe avy aty amin’ny faritra misy ny « chapelle militaire ity fiara ity » manoloana ny Kianja ny Betongolo sy ny faritra misy ny toby miaramila. Tsy nampoizina fa raha sendra nandeha iny izy mirahavavy no nirifatra avy any ity fiara ka tany amin’izy ireo no nifatratra nanindry azy ireo teo amin’ny tamboho vatobe. Raha ny loharanom-baovao dia tapaka hisatra ity fiara golf ity izay vehivavy no nitondra azy. Eo koa ny milaza fa niala « moto » no antony nahatonga ny loza. Voavonjy ara-potoana teny amin’ny hopitaly moa izy ireo. Tsy fantatra kosa ny mikasika ny niafaran’izy ireo fa ny azo antoka dia voa mafy raha ny ratra nahazo ary ahiana mihitsy ny fahatapahana eo amin’ny tapany ambany amin’ireto olona niharan-doza ireto.  Tsy nisy kosa ny aina nafoy nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza raha  ny loharanom-baovao hatrany.  Araka ny anaran’ny toerana dia tsy vao izao no nitrangan’ny loza toy izao io toerana io ka tokony hitandrina sy ho malina hatrany na ny mpandeha an-tongotra na ny mpamily fiarakodia mindrana sy mampiasa matetika iny lalana iny.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre