Vous êtes ici :

Lundi 20 Mai 2024

ombre

Mpamosavy iray trano !

Mangorohoro daholo ny mpiasa tato ho ato izay, na ho an’ny mpiasam-panjakana io na ihany koa ireo amin’ny sehatra tsy miankina satria miala any ny fandroahana maro isan-karazany. Ekena tokoa aloha fa mihitsoka saro-belomina ny toe-karena eto amintsika ary ilay noheverina ho fandrosoana tany amin’ny andron’Ingahy Ravalomanana tany dia zavona ihany satria nisy tokoa ny vola natobaky ny sehatra iraisam-pirenena. Tadidy ihany, na dia tsy betsaka aza – hoy ilay tononkalo mitondra ny lohateny hoe « Ny ombin-tsarety sy ny olona » – fa tamin’ireny fotoana ireny dia voakarakara ihany ny sehatry ny sosialim-bahoaka satria nisy ny famatsiam-bola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Dia sahala amin’ny hoe tsaratsara ny fiainam-bahoaka kanefa ny tena marina dia efa tamin’izany no tsy tsapa ny fandrosoan’ny toe-karena afa-tsy ny an’ny orinasan’ingahy filoha ihany angamba. Tapaka anefa ireo famatsiam-bola ireo – mbola tamin’ny andron-dRavalomanana ihany io – ny taona 2008 noho ny antony tokana : nafangaron’ny filoha tamin’izany ny paosiny sy ny an’ny fanjakana. Nanapa-kevitra ary ireto vondrona iraisam-pirenena fa aleo aloha hajanona izany ary nanomboka teo no niharatsy ny sosialim-bahoaka. Maro ireo mpiasan’ny tetikasa maro samihafa no voatery nijanona tamin’ny asany ka nivadika ho tsy an’asa ary niampy izany rehefa nahomby ny hetsi-bahoaka ka nilefa nanao sesitany ny tenany ny filoha teo aloha mbamin’ny fianakaviana sy ny mpiray petsapetsa taminy rehetra. Tezitra mafy ry zareo amerikanina ka notapahany ihany koa ny fifanaraham-piara-miasa ara-toe-karena niarahana tamin-dry zareo ireto, hany ka tsy nisy norarahiany intsony izany resaka mahaolona izany. Firenena matanjaka koa moa ry zareo ka dia afaka manampatra ny heriny iray manontolo ka na misy olona hahantra fadiranovana sy ho fatin’ny hanoanana aman’hetsiny sy aman-tapitrisany aza eto dia tsy misy iraharahian-dry zareo be kintana izany. Azo eritreretina mihitsy aza fa mandihy, mifalihavanja, mitotorebika sy manao fihinanam-be mihitsy ny mpitondra sy ny vahoaka amerikanina raha toa ka maty mosary sy mijaly fadiranovana ny vahoaka malagasy. Araka izay dia aman’hetsiny sy aman-tapitrisany tokoa ny mpiasa malagasy tamin’ireny orinasa afakaba ireny no voatery tsy maintsy niala tamin’ny asany ka lasa «sômera» sy voatery nivarotra amoron-dalana. Ary raha zohina tokoa ange izay lalan-kevitra izay dia mazava amin’ny rehetra ny tena antony manosika ny Ben’ny tanàn’Antananarivo ankehitriny mandroaka tsy misy indrafo ary manapotika tanteraka ny entana sy ny fihariana kelin’ireto mpivarotra amoron-dalana ireto e! Ny mpitantana ny renivohitra rahateo moa mpomba tanteraka azy, ireo amerikanina ary angamba mety ho diso ny mpanoratra raha hampatsiahy fa ramatoa ben’ny tanàna dia vadin’ilay filoha teo aloha izay naloam-bahoaka iny!

Raha izay antontan’isa izay no atambatra dia maromaro ihany, hoy ilay tsy mahay manisa, ny tsy an’asa eto an-drenivohitra eto, indrindra raha ampiana ihany koa an’ireo  mpiasa 1 300 noroahan’ny orinasa afakaba iray farany teo sy ny 400 mahery izay voatery handao ny asany ao amin’ny kaompania Air Madagascar. Etsy andaniny anefa dia re izao fa hisy mpiasa 600 hafa izay mety horoahan-dramatoa Ben’ny Tanànan’Antananarivo ato ho ato. Raha ny tsilian-tsofina re dia nisy 20 aloha lasa tamin’ny herinandro lasa teo ka nolazaina fa hoe nanao diplaoma sandoka na ihany koa nilaza fa manana ny diplaoma ilaina kanefa tsy manana izany akory. Raha ny voatantaran’ny loharanom-baovao dia nisy angaha fanadinana saika hatao izany ary dia teo no nahitana izany satria rehefa natao ny fitsirihina dia tsy isan’ny voasoratra manana izany diplaoma izany ireo mpiasa ireo. Raha ny fahalalana izany fitsirihina izany anefa dia toa tsy natao tamin’ny fomba ara-dalàna akory satria toa hoe ny vadin’ilay tompon’andraikitry ny mpiasa, izay miasa ao amina ivo-toerana ara-panjakana iray no antsoina an-tariby, ka ity farany no mijery ny lisitra. Fantatra ihany mantsy izany hoe asam-panjakana izany fa ala safay no betsaka ary indrindra moa ny fitehirizina ny arsiva na ara-taratasy io na ihany koa amin’ny alalan’ny informatika fa tsy dia manjary loatra. Marina tokoa izany fa firifiry tokoa moa ny solosaina izay maty tsy mandeha intsony ary ao ireo nilaozan’ny toetrandro any amin’ny ministera rehetra any.

Etsy ankilany dia maro ny mpiasan’ny kaominina no milaza fa setrasetra no atao amin’izy ireo, hany ka mangorohoro ny rehetra. Ny fanontanian’ny maro dia ny hoe : anjaran’iza indray izany izao rehefa vita ny amin’ny mpiasan’ny tanàna? Ary raha izao tokoa no mitohy dia ho tsy an’asa daholo izany ny mpiray firenena rehetra!

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre