Soavina – Najifa ny télé écran plat
Mahamay tsy misy ohatra izany ny faritra ambanivohitra manodidina an’Antananarivo rehetra tsy ankanavaka amin’ny asan-jiolahy tsy an-kijanona. Tsy antoandro, tsy alina dia ahitana izany hatrany kanefa kosa aloha ny alina no tena ahitana azy tsy ankiato. Isan’izany ny kaominina Alasora mitohy mankany Ambohimanambola iny, ny eny Atsimondrano iray manontolo ka ahitana ny kaominina Itaosy, Bemasoandro, Ambohidrapeto, Ampitatafika ka hatreny amin’ny kaominina ambanivohitra Soavina. Teny indrindra ny talata faha-13-n’ny volana septambra ity tamin’ny 1 ora sy fahefany maraina no nitrangan’asan-jiolahy mahery vaika mihitsy satria dia jiolahy misaron-tava telo nitondra antsy lava no nanafika tranon’olona iray tao amin’ny fokontany Analapanga, amin’ilay tanàna antsoina hoe Ankaraobato. Lasa tamin’izany ny télévizionina écran plat 33 pouce sy peratra volamena ary peratra volafotsy ihany koa. Rehefa azon’ireo mpamaky trano ireo izay tiany halaina dia lasa nirifitra izy ireo ary tena nadio tokoa ny rano nitàn’izy ireo. Araka izany, tsy nisy ny aina nafoy na ihany koa ny naratra araka ny tatitra nataon’ny mpitandro filaminana ary mbola sendra “andro tsara “ ihany izany ny tompon-trano. Ankehitriny tokoa mantsy dia tsy mandroba fotsiny ihany no ataon’ireo jiolahy fa tena mamono sy manimba tanteraka mihitsy ka be ny mieritreritra ankehitriny fa ny tena tanjon’ireo mpandroba dia ny hampitondra takaitra mandrakizay mihitsy ireo lasibatra. Toy izany, ohatra, no niseho ny herinandro lasa iny tamin’asan-jiolahy iray nitranga tamin’ny faritra manodidina an’Antananarivo satria tsy mahatsiaro tena ankehitriny ny raim-pianakaviana kanefa ny zanany vavy vao 12 taona dia nanaovana fanolanana mitam-be!
Izay no ilazana fa efa fomba barbarianina mihitsy no ampiasain’ireo jiolahy eto amintsika. Raha iverenana ity tranga teny Soavina ity dia ny zandary ao amin’ny poste avancé ao amin’io toerana io ihany.
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







