Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Herinandron’ny Fanabeazana Katolika 2016 – Fahombiazana tanteraka ny tany Toamasina

Tamin’ity taona 2016 ity dia Toamasina indray no nampiantrano ny fihaonam-ben’ny fanabeazana katolika manerana an’i Madagasikara. « Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an’ny besinimaro » ny lohahevitra  tamin’ity fankalazana ity. Sorona Masina lehibe no nanombohana ny fotoana, ary nitarika izany ny Arsevekan’i Toamasina, Tsarahazana Désiré. « raha mahery aho dia mahery araka ny Evanjely, raha resy aho dia resy araka ny Evanjely, ary raha mitomany  dia mba mitomany araka ny Evanjely. Izany hoe, toe-tsaina ara-pinoana no entina miatrika ny fifaninanana sy ny fifaneraserana rehetra ». Fanontaniana nipetraka ny hoe : «  tena miaina  amin’ny mahasekoly katolika azy ve ny mpianatra amin’ny sekoly katolika? Ary misy fanantenana ve ao anatin’ny fiombonana amin’ny maha samy Malagasy ? »

Taorian’ny Sorona Masina dia niroso avy hatrany tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena ireo mpianatra sy ny mpanabe avy amin’ny Diosezy ary samy nahatonga solontena avokoa ny avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Isan-kariva dia nisy ihany koa ny hetsika ara-kolontsaina nentina nanandratana ny harena isam-paritra. Araka ny nambaran’i R.P Ranaivoson Jules, Tale Nasionalin’ny fanabeazana katolika na Dinec (Directeur national des écoles catholiques) dia “tanjon’ny herinandron’ny sekoly katolika sy ny fanamarihana ny androm-pirenena ho an’ny fanabeazana katolika ny fifanakalozan’ny mpianatra rehetra manerana an’i Madagasikara ny maha izy azy ny sekoly katolika toy ny “fandalinam-pinoana” sy ny “Fibeazana miaina sy mitia” na EVA. Rehefa mahazo ireo fandaharam-pianarana ireo ny sekoly katolika dia mitovy ny zava-bita amin’ny fanatratrarana ny tanjom-panabeazana na lafo na mora ny saram-pianarana.” Ka manoloana izay fahasamihafana izay dia manohy ny ezaka ny foibe nasionalin’ny fanabeazana katolika (Dinec) sy ny foiben’ny Dioseziana hampitovy lenta ny sekoly rehetra manerana ny Nosy.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre