Mpivarotra mangidy mpisoloky – Notereny hanandrana ilay rangahy ary nasainy nandoa vola be
Mahantra tokoa ny malagasy ary izay hevitra rehetra ahazoana vola kely dia atao avokoa ary amin’ny fomba rehetra mihitsy na amonoana olona na angalarana eny na isolokiana tsotra izao fotsiny aza. Endrika fisolokiana hafa kely indray izao no nitranga teny amin’iny faritr’Anosy sy ny manodidina iny satria mpifankatia iray no nosolokina mpivarotra mangidy telo lahy. Araka ny vaovao azo dia efa mpihodikodina eo amin’ny manodidina ny fiandrasana fiara fitateram-bahoaka eo ireto mpisoloky ireto ary mivarotra rano izay lazain’izy ireo fa mangidy manabe filahiana. Izay mipetrapetraka na miandry fiara eo noho izany dia hantonin’izy ireo ary asainy manandrana ka lazainy fa maimaimpoana aloha izany amin’ny voalohany. Ireto mpifakatia izay tratra ireto dia noteren’izy telo lahy hanandrana ilay mangidy. Rehefa nanaiky ny hisotro izany anefa ilay lehilahy dia nasain-dry zalahy nandoa ny sarany amin’izay ary nolazain’izy ireo fa dimy alina ariary ny vidin’ny iray vera noho ny vokatra tsara azo avy amin’ilay rano. Teo vao nikoropaka izy roa kely ary nifanazava tamin’ireo mpisoloky. Nilaza anefa ireto farany fa efa nifanaraka tsara izy roa tonta fa hividy ilay rangahy fa tsy hanandrana fotsiny. Ireto mpivarotra izay miteny amin’ny fiteny any amin’ny sisin-tany ka vao mainka sarotra tamin’ireo mpifankatia no nifanazava tamin’izy ireo. Tsy nanaiky noho izany izy telo lahy raha tsy nandoa vola ilay lehilahy. Ny loza anefa dia tsy ampy an’io lelavola voalaza io tany am-paosiny ka voatery ny finday no nomena azy ireo. Araka ny vaovao azo ihany dia mbola nandrahona ihany koa ireto mpisoloky fa hopozininy amin’ny ody gasy ilay lehilahy raha toa ka tsy manome ilay vola. Ary tonga hatrany amin’ny hoe hataony manjavona tsy ho hita ao anaty patalohany intsony ny filahiany. Rehefa nahazo ilay finday raitra dia raitra ireto mpivarotra mangidy dia nitsoaka ohatra ny tsy teo. Ny azon’ireo mpifakatia natao dia ny nitaraina tany amin’ny polisy anefa inona intsony, ny hena efa any am-bavan’ny voay.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







