Ambatomirahavavy – Tambajotra mpanery olona handoa vola voasambotra
Ny 9 septambra teo no nahatratrarana ity tambazotrana mpisandoka andraikitra sy mpanery olona handoa vola ity izay ahitana mpitsara, mpiasam-panjakana ambony ao amin’ny ministeran’ny asam-panjakana, manam-boninahitra ao amin’ny Polisy Nasionaly niampy olon-tsotra. Ny alakamisy 8 septambra 2016 hariva teo mantsy dia nisy fitarainana azon’ny zandarimariam-pirenena ao Ambatomirahavavy tamin’ny mpandraharaha iray monina eny ihany fa nisy olona telo nilaza fa mpiasan’ny ministeran’ny asam-panjakana (lehilahy 2) sy mpitsara (vehivavy 1) nitaky vola 7 tapitrisa Ariary taminy mba tsy higadrany ny marainan’io andro io ihany teny amin’ny tsenany teny Anosibe. Nolazain’izy ireo mantsy fa mampiasa zaza tsy ampy taona ao amin’ny orinasany ity mpandraharaha ity ka izay no antony. Niady varotra moa ilay mpandraharaha ka raikitra fa 2 tapitrisa ariary ihany no aloany ka ny antsasany naloa teo no ho eo mba tsy higadrany avy hatrany ary ny ambiny kosa dia omena ny ampitso 9 septambra 2016 eny Ambatomirahavavy. Niandry araka izany ny zandary teny an-toerana ka tonga haka ny ambim-bola ireo roalahy voalohany no sarona ka nosamborina ary nohadihadiana.
Voasambotra noho izany koa avy eo ny lehilahy iray izay tena mpiasam-panjakana ao amin’ilay ministera voalaza etsy ambony izay mpiray tsikombakomba amin’izy ireo sy ny mpivady izay mpiasa ao amin’ny orinasa ihany izay tena natokisan’ilay mpandraharaha nitondra sy nitari-dalana ireo sasany nanoro ny trano. Nandritra ny famotorana ihany moa no nilazan’izy ireo fa mpiasa ambony (mpitsara) ao amin’ny fitsarana ilay vehivavy iray izay nisandoka ny andraikitry ny Tonian’ny fampanoavana no miaro azy ireo amin’izao asa ratsiny izao. Voamarina izany tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny laharan’ny fiara 4X4 izay nentin’io vehivavy io nandritra ny fisandohana andraikitra nataony teny Anosibe. Fantatra ary fa miisa 13 izy ireo no ao anatin’ny tambazotra ity izay efa mpanao toa izao ka mbola karohana ireo ambiny amin’izao fotoana izao. Rehefa nentina teny amin’ny fitsarana any Arivonimamo ny 14 septambra 2016 moa ny raharaha dia nilaza ho tsy mahefa mitsara izany ny Tonia Mpampanoa lalàna any an-toerana fa araka ny fehezan-dalàna momba ny paikady heloka dia tsy maintsy ny Procureur général no itondrana ny raharaha satria misy mpitsara voarohirohy ao amin’izany. Ny andron’io ihany noho izany dia nakarina tao amin’ny fitsarana ao Anosy indray izany miaraka amin’ireo efa voasambotra rehetra.
Nangonin’i J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







