Tabataba lava !
Ny tanànan’Antananarivo dia azo lazaina ihany koa ankehitriny fa tanàna anjakan’ny tabataba maro isan-karazany izay tsy misy fetrany mihitsy na andro na alina, na maraina na hariva fa dia tabataba lava izao no henonao sy iainanao. Tsy hiresaka ny fiara manenika ny arabe isika na ihany koa ny fitohanana lavareny tsy mbola ahitan’ireo mpitantana vaovao ao amin’ny kaominin’Antananarivo ireo izay milaza fa ho manam-pahaizana kanefa toa herintaona izay tsy misy hapoaka ihany. Ny tiana resahina eto dia ny tabataba anaty tanàna, na ihany koa amoron-dalana, izay saika ho isan’andro vaky. Eo aloha ireo amin’ny trano « karaoke » ireny, izay mitohy hatramin’ny misasak’alina ary mazava fa dobodoboka tsy ifandrenesana tsy mba misy hakana aina mihitsy no heno. Ny torimaso tokoa hono mantsy no hany sisa mba itoviana amin’ny mpanan-karena kanefa moa ny mpanan-karena eto amintsilka efa samy lasa naka sisiny daholo namonjy ny tanàna lavitry ny korontana sy rivotra maloto avoakan’ny setroka gazoalan’ireo taksibe sy ny afon-tsaribaon’ny tokantrano sahirana. Mahagaga tokoa ny fomba fanarahan-dalàna eto amintsika eto satria ireo izay mahatolotolotra an’ireo mpitandro filaminana sy ny mpiasan’ny kaominina dia sahy mamoaka ivelan’ny trano mihitsy ny fanamafisam-peony izay heverin’ny tompon’ilay trano « karaoke » fa fomba iray hisintonana ny mpanjifa sy ireo tanora mankafy an’ity karazana fialam-boly iray ity. Mazava ihany koa fa dia fofona mantsina tanteraka no henonao manodidina ireny toerana ireny satria rehefa teren’ny zava-pisotro ireto mpanjifa dia eny amin’ny vodirindrina sy sisin-tamboho rehetra eny ireto farany no manao ny ataony. Ka na ventiny na ranony dia tsy misy fisalasalana intsony izy ireo mandatsaka izany amin’izay toerana tiany hanaovana azy. Rehefa maraina ny andro dia anatin’izany loto izany no mifanaretsaka ny ankizy hamonjy fianarana, ny lehibe hamonjy ny asa aman-draharaha ary ny renim-pianakaviana handeha hanao bazary hividy ny sakafo hohanina ny antoandro. Raha ny tena marina, misy dia misy tokoa ny lalàna mifehy ny fandefasana zava-maneno eto amin’ny tanànan’Antananarivo ary voarakitra ao amin’ilay boky kely mikasika ny fitsipika maro samihafa mifehy ity renivohitry Gasikara ity. Mbola vao tsy ela akory io boky io no navoaka indray ho fanta-bahoaka satria vao ny taona 2013 no naverina natonta indray miaraka amin’ireo fitsipika vao nohavaozina na ihany koa vao nolanian’ny filan-kevitra monisipaly ary inoana ihany kosa aloha fa mbola mipetraka ao an-tsain’ny mponin’Antananarivo ny ampahany amin’izany fitsipika izany. Araka izany dia voafaritra mihitsy ny haavon’ny feo faran’ny ambony azo ampiasain’ny isan-tokantrano ary raha toa misy fety karakaraina, na ihany koa lanonana hanasana vahiny dia mazava ny tokony hataon’ny tsirairay. Dia toraka izany ihany koa ho an’ireo trano fandraisam-bahiny, na trano fandihizana, na ihany koa ireny “karaoke” ireny dia misy refy mazava tsara tokony harahina amin’ny antsakany sy ny andavany, kanefa toa tsy misy intsony ny fampiharana izany fepetra izany fa manao ny danin’ny kibony ny rehetra. Araka izay lazaina ery ambony fa tsy misy hapoaka tokoa ireto mpitantana vaovao ireto satria toa sahala amin’ny tsy fantany akory izany asa tokony hiantsorohany izany. Eny fa na ireo lalànan’ny tanàna izay mandrara ny fanaovana maloto etsy sy eroa aza dia tsy nisy mihitsy ny fampahatsiahivana na dia iray minitra monja aza tamin’ny hainoamanjery. Ireo polisy monisipaly natao hanenjika ireny mpanao maloto an-dalam-be ireny koa moa mbola nahazo asa hafa dia ny fanenjehana ireo mpivarotra amoron-dalana izany, izany hoe ireo vahoaka tsy an’asa mba mitady ny hohaniny isan’andro. Isan’ny antony tsy hahitan-torimaso ihany koa ny tabataban’ny alika mirenireny amin’ny alina ary any anaty tanàna rehetra any aza dia efa tena zavontany tokoa ny alika tsy misy tompony fa mivezivezy etsy sy eroa. Manao andiany folo ka hatramin’ny roapolo na telopolo izy ireny amin’ny faritra kely iray ka rehefa mifanena amin’olona dia manenjika. Raha toa kosa mifanena amin’ny alika mitovy aminy dia rafitra ny ady angaredona ary mazava ho azy fa “bal populaire” be tsy misy ohatra izany no miseho. Fantatra àry fa amin’ny volana oktobra ho avy io no handeha hamono ireo alika mpirenireny ireo ny ao amin’ny kaominina kanefa raha izay herintaona izay dia inoana fa efa nitombo maro be ireto biby ireto. Tsy misy tsy mahafantatra ny rehetra fa ny alika dia tia … miteraka ary io mihitsy aza no asa faharoa aorian’ny miandry taolana eo ambanin’ilay tsenan’ny mpivaro-kena!
Fa isany tiana horesahina ihany koa ny tabataba eny amoron-dalana rehetra eny satria tokoa raha vao mivoaka ny trano ny mponina dia feo maro samihafa mahavaky ampongan-tsofina no miandry. Eo aloha ny antsoantson’ny mpivarotra, ny kapokapoky ny mpanao vy, ny firondronan’ny motera maro samihafa, mbamin’ny tabataban’ny reseveran’ny taksibe.
Raha izay rehetra izay no dinihina dia mila hahalasa adala mihitsy raha ny tabataba eto Antananarivo eto ka maro no milaza fa ny tanàna mihitsy no toa tsy misy mpifehy intsony fa sahala amin’ny … tanànan’adala!
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







