Andramasina – May tsy nisy noraisina ny fiangonana Fjkm Ziona
Miha mirongatra indray amin’izao fotoana izao ny haitrano ary matetika dia tsy fitandremana no mahatonga izany. Maro koa anefa ireo tsy manan-kialofana noho ny hetraketraky ny sasany izay mandoro noho ny antony samihafa ny trano fonenan’olon-tsotra maro. Tranga mampalahelo no sady mahagaga no niseho ny alakamisy lasa teo satria dia fiangonana iray indray no may kilan’ny afo tany amin’ny toerana antsoina hoe Ambatobehasina, fokotany Fihaonana ao amin’ny kaominina Fitsinjovana Bakaro. Fantatra amin’ny anarana hoe : Fjkm Ziona ao Ambohitsila ity niharan’ny fahamaizana ity, izay mipetraka eny amin’ny toerana azo lazaina fa mitoka-monina tanteraka ary hoentina katekista iray. Araka ny vaovao azo, tsy nisy noraisina intsony ny entana tao anatin’ity toerana masina ity ary mitentina 5 tapitrisa ariary eo ho eo ireo fitaovana levon’ny afo vokatr’izany fahamaizana izany. Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny antony nampiledaleda ny afo satria ireo mpiandry ny fiangonana nilaza fa tsy misy ny mandrehatra afo amin’ny alina ary maty avokoa ny jiro rehetra alohan’ny hialan’ity farany ao an-toerana. Ny mahagaga anefa dia tamin’ny telo ora harivan’ny andro nisehon’ny loza dia niledale tampoka ny afo.
Niezaka namono izany ihany ilay katekista sy ny fokonolona teo amin’ny manodidina saingy tsy nahitam-bokatra. Very fanantenana tanteraka noho izany ireto tompon’andraikitra indrindra fa ireo mpino ao amin’ity fiangonana ity satria na dia tsy mbola mpitandrina aza no mitondra ao dia efa maro tokoa ny isan’ny mpivavaka ao. Araka ny vaovao azo dia fiangonana manan-tantara tokoa ny Fjkm Ziona nefa izao ravan’ny afo izao. Rehefa nandeha ny loza dia nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary avy ao Fitsinjovana Bakaro nanao ny fanadihadiana.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







