Lozam-pifamoivoizana – Notetezin’ny kodiarana ny lohan’ilay rangahy
Tsy mitsaha-mitombo koa amin’izao fotoana izao ny lozam-pifamoivoizana na eny amin’ny lalam-pirenena izany na eto an-drenivohitra. Loza mahatsiravina indray no niseho teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny ny alarobia lasa teo. Raim-pianakaviana iray no nofaohin’ny fiara iray teny amin’iny lalan’Anosizato iny. Nikasa ny hiampita ny arabe ity lehilahy no nodomin’ity fiara iray izay voalaza fa nandeha mafy dia mafy tokoa. Vokatr’izany dia nipitika teny afovoan’ny arabe ity farany ary dia nipitika alavitra. Tsy vitan’izany fa mbola notetezin’ny kodiarana ihany koa ny lohany izay nitarika ny fahafatesany eo noho teo. Noho ny andro efa maizina dia tsy nisy anefa na dia iray aza naavoaray ny laharan’ilay fiara izay nandray fitsoahana nanohy ny diany nihazo an’Ampitatafika avy hatrany rehefa nahavanon-doza. Tsy nisy intsony araka izany ny azo natao fa dia naterina tany amin’ny hopitaly ny razana. Ankoatra izay dia loza hafa koa no niseho tany Ambatomirahavavy ny androtr’io ihany. Vehivavy kely fito taona ihany koa no maty teo noho teo izay nofaohin’ ny fiara ihany koa. Araka ny vaovao azo dia hamonjy fodiana ity farany no notrongisin’ ny fiara. Voadona mafy dia mafy izy tamin’izany ka dia niteraka fahafatesana tao anaty minitra vitsy monja izany. Tsy nitsoaka kosa ity mpamily fa dia nandray an-tanana ny fitaterana azy io tany amin’ ny hopitaly. Efa noraisin’ny mpitandro filaminana an-tanana kosa ny famotorana rehetra.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







