Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

CNaPS – Nampiofana ireo « organismes publics » eto Antananarivo

Ny fiahiana ara-tsosialy dia fomba iray entina miady amin’ny fahantrana. Ho antsika eto Madagasikara dia ny CNaPS no misahana izany ho an’ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpiasam-panjakana  mbola tsy raikitra na Ecd (Emploi de courte durée). Amin’iretsy farany nefa dia maro no tsy misitraka izany. Maro ny antony mahatonga izany fahaverezan-jo izany : toy tsy fahalalana, ny fanaovana an-tsirambina ny fanambarana filazan-karama, ny tsy fahafantarana ny dingana isan-karazany tokony arahina rehefa hangataka fanampiana na handoa latsakemboka, sns. Koa dia miezaka ny ekipan’ny CNaPS izay tarihin’ny tale jeneraly Arizaka Rabekoto Raoul mikarakara fiofananana manerana ny Nosy. Nisy ny fifanankalozan-kevitra eo ireo mpikirakira ny volam-panjakana ijerena ireo fitantanana tokony hatsaraina nandritra ny roa andro sy tapany. Atoro ireo mpiofonana mandritra izany ny fikarakara sy ny fanaovana fanambarana filazan-karama izay tsy maintsy ampiarahina amin’ny taratasy nandoavana ny latsakemboka satria ny hita matetika dia manao fanambarana ihany ireo mpampiasa nefa ny latsakemboka dia tsy voaloa ara-dalàna izay mahavery ny zon’ireo Mpiasa Ecd. Sady fanatsarana ny fifandraisana ireo sampandraharaham-panjakana rehetra eo amin’ny CNaPS ihany koa ity fampiofanana ity. Ny andro voalohany moa dia nentina nampahafantarina mikasika ny CNaPS sy ny asany amin’ ny fanampiana ny fianakaviana, ireo marary na tra-doza vokatry ny asa ary ny fisotron-dronono. Ny andro faharoa dia natokan’ny Tresor sy ny Budget nampahalalaina ny fomba fiasany ary nisy ny asam-bondrona nanangonana ireo olana sedrain’ny sampandraharaham-panjakana. Ho an’Antananarivo manokana dia niditra amin’ny herinandro fahatelo ny fiofanana omena ireo sampandraharaham-panjakana nanomboka ny alarobia 14 septambra ny atrikasa ary hifarana androany zoma.

Ny fampiofanana ihany koa dia natao hanatsarana ny fifandraisana misy eo amin’ny CNaPS sy na io ministera na ny rantsamangaikany. Ny andro fahatelo izany hoe anio zoma dia lanonana famaranana fizarana mari-pankasitrahana ho an’iroe rehetra nandray anjara.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre