Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Antanambazaha – Ambato Boeny – Faty iray nahitana dian-tsori-pamaky fito

Tsy milamina ny tany ankehitriny!  Mahazo vahana ny mpanao ratsy hanao izay tiany amin’ny fihetsika feno fahalotoana. Ny tsy fahazakana ny zava-misy eo amin’ny fiarahamonina tokoa mantsy no miteraka haratsiam-panahy diso tafahoatra, toy ny famonoan’olona izay tsy fantatra mazava hoe valifaty ve sa fialonana sa tsy fahazakana ny fahombiazan’ny hafa, hany ka dia atao mihitsy izay fomba rehetra mety hahataperan’ny ainy. Dia toy izay tokoa ny zava-nitranga teny Antanambazaha, distrikan’Ambato Boeny, kaominina ambanivohitr’Ambondromamy, fokontany Dudit iny raha toa ka lehilahy 33 taona, izay fantatra amin’ny anarana hoe Randrianasolo Jean Fidèle, monina ao Morafenokely no hita faty nisy namono ny alin’ny 13 septambra lasa teo tokony ho tamin’ny 11 alina. Tamin’ny fomba feno habibiana tokoa no namonoana an’io lehilahy io satria dia nahitana diam-pamaky 07 teo amin’ny lohany ary mbola tsy fantatra hatreto hoe iza tokoa no nahavanin-doza toy izany. Raha vantany vao nahare ny trangan-javatra ireo zandary dia nidina teny an-toerana avy hatrany hanadihady, niaraka tamin’ny dokotera avy tao amin’ny Csb II hanao fitiliana ny razana. Ny polisy ao amin’ny kaominina ambanivohitra no misahana ny raharaha amin’izao fotoana izao.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre