Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Ankazobe – Voatifitra teo amin’ny fitombenany ny tompon’omby

Isan’ny faritra mena amin’ny halatr’omby sy ny asan-dahalo ihany koa iny distrikan’Ankazobe iny kanefa 100 kilometatra monja any andrefan’ny renivohitr’i Madagasikara no misy azy. Marina aloha fa midadasika ny distrika kanefa na izany aza tsy lavitra loatra ny toby misy ireo miaramila sy zandary ary polisy maro izy. Tranga hafakely ihany koa anefa no nitranga tamin’io toerana io, tao amin’ny fokontany Andranomiely Atsimo ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Andranomiely avaratra satria dia nisy ny fanafihan-dahalo nitranga. Efatra ireo malaso ireo izay nitondra basy kanefa omby tokana ihany no nokendren’izy ireo. Lasan’izy ireo tokoa ny omby saingy namela takaitra ho an’ny tompon’ny omby ny … “fitsidihana” nataon’ireto dahalo ireto satria dia ny fitombenan-drangahy tompontrano no nokendren’ireto farany ary voany tokoa. Naratra mafy araka izany ny tompon’omby. Rehefa nampandrenesina kosa ireo zandary tao amin’ny poste avancé-n’Andranomiely avaratra dia nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona. Ny alatsinainy faha-12-n’ny volana septembra teo tamin’ny valo ora alina no nitranga ity asan-dahalo ity.

J.L.R 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre