Lavitra fandrosoana !
Ny rano no fototry ny aina ary tsy fitenenana mahazatra fotsiny izany na ihany koa teny baiko hankalazana andro iraisam-pirenena iray. Raha tsiahivina vetivety, vao mifoha dia mila rano hoentina hisasana Raolombelona. Atao ahoana tokoa moa no hivoaka ny trano kanefa ny nify tsy voaborosy, ny vatana tsy nandro, ny tarehy sy ny tanana tsy voasasa, ny akanjo maloto, sy ny sisa, ary indrindra ny tena tsy mbola nahasotro na dia dite eran’ny kôpy aza! Ny an’ny hafa manan-katao aza tsy maintsy diovina hatramin’ny fiara, izany hoe ilana fikojakojana avokoa hatramin’ny seho ivelany rehetra. Mila karakaraina indray ny sakafo antoandro rehefa miakatra ny masoandro ary mazava fa rano ihany koa no isan’ny singa lehibe ilain’ny renim-pianakaviana amin’ny fikarakarana fototra izany. Hatreto aloha, raha ny fahalalana azy tsy mbola nisy sakafo ka tsy nila rano fa hoe menaka fotsiny ihany dia ampy, na ihany koa vinaingitra ihany dia masaka. Na ny rano fisotron-dramalagasy aza rehefa misakafo antoandro io dia mitondra izany teny izany satria antsoina hoe : “ranovola” ary sahala amin’ny tsy Malagasy tokoa ny tena raha toa ka tsy misotro ranovola amin’ny antoandro. Mbola toraka izay ihany koa ny hariva ary mazava ho azy fa alohan’ny hatory dia tsy maintsy mbola mila misasa ihany indray. Mbola rano indray koa no ilaina fa fanampiny fotsiny ny savony. Raha hifindra sehatra indray isika ka hijery ny fitantanana ny tanàna, ohatra, dia filàna fototra ho an’ny mponina ny rano ary ahoana tokoa moa no hahatratrarana ny tanjona “tanàna madio” raha toa ka sahirana amin’io lafiny iray io.
Ohatra iray tena nahagaga ny maro izao ny nahafantarana fa paompy iray ihany no miasa ho an’ny fokontany Andravoahangy Atsinanana ato amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra izay ny 24 isan-jaton’ny trano fonenana ihany no manana fantson-drano manokana, izany hoe tsy mila mantsaka eny amin’ireny paompin-drano iraisana ireny. Raha izany no izy dia ny 76 isan-jaton’ny trano eto Iarivo izany tsy misy rano avokoa ary ny mpikambana tsirairay ao anatin’ny fianakaviana dia mandray anjara amin’ny fakana rano. Etsy andaniny, fokontany be mponina, toy ny fokontany rehetra eto an-drenivohitra, ny fokontanin’Andravoahangy atsinanana no sady lalana fandehanan’ireo mponina hafa ivelan’ny renivohitra, indrindra ny avy amin’ny kaominina, distrika ary faritra atsinanan’Antananarivo. Araka izany, amina hetsiny isan’andro no mifamezivezy amin’iny toerana iny, kanefa aloha ireo mponina ao dia efa sahirana amin’ny rano. Filaharam-be isan’andro araka izany ny fakana rano amin’io paompy tokana io ka mila mandany ora maromaro mihitsy fa mety ho ampy ny filana ao anatin’ny iray andro ho an’ny tokantrano iray. Raha mijery ny tanàna indray dia mazava araka izany fa lavitra io fokontany io ny fahadiovana satria maloto tokoa ny lakan-drano samihafa ary azo inoana fa mety ho vetivety ihany ny fiparitahan’ny valan’aretina raha izao no mitohy.
Amin’ny ankapobeny ho an’ny tanànan’Antananarivo dia tsy nisy intsony izay tao anatin’ny 10 volana ny fanitarana ity sehatry ny rano ity satria tsy mbola naheno ny rehetra fa nisy paompy vaovao namboarina. Izay no tena mampalahelo ny mponina izay mandoa ara-dalàna ireo hetra takiana aminy isan’andro vaky. Tamin’iny volana iny izao dia nolazaina fa ho hatsaraina ny sehatry ny fitaterana amin’ny taxi-ville. Noterena nanao fizahana manokana na contre-visite ireto fiara ireto. Mazava fa vola hafa koa izay, izay tokony hiditra amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina, ankoatra izay efa voasoratra ao amin’ny tetibola nolanian’ny mpanolo-tsainan’ny tanàna. Noho izany, tokony hisy ny tamberin’andraikitra tanterahin’ny mpitantana ny tanàna raha izany no izy, indrindra mahakasika ny fanalebeazana ny sehatry ny rano ho an’ny fahasalaman’ny mponina. Rariny tokoa izany satria araka ny voalaza etsy ambony dia fototry ny aina ny rano. Indrisy anefa fa tsy izay no nasehon’ireto mpitantana vaovao ireto tao anatin’izay fotoana efa somary lavalava izay. Araka izany, mbola ho lavitra ihany ny fandrosoana, eny fa na ho an’ilay renivohitry Gasikara aza. Raha toa kosa ka na paompy iray aza tsy vita tao anatin’ny 10 volana dia inoana marimarina tokoa fa tsy hisy hapoaka izany mandritry ny 4 taona.
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







