Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ampitatafika – Tratra teo am-panendahana finday izy roalahy

Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra hoy ny fitenenana. Mpanendaka roa lahy efa ikoizan’ny mponina eny amin’iny Ampitatafika sy ny manodidina iny no tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora maraina. Tsy mifidy toerana anendahana sy lera tokoa izy roa ireto satria na any anelakelan-trano na eny an-tsena eny na eny amin’ny fiandrasana fiara fitateram-bahoaka ireny aza dia mamely tsy misy hambahamba ry zalahy. Ny manodidina kosa tsy sahy miteny na manondro molotra satria araka ny vaovao voaray dia mandrahona ny hamono ho faty ry zalahy, antony matonga ny olona mangina sy mijery fotsiny na dia mahita ny asa ratsy ataon’izy ireo aza izany. Teo am-panendahana mihitsy anefa i René sy Faly (anaran’ireo tonta kely roalahy) no sendra ny patsa iray tsy omby vava satria tratra soa aman-tsara ka nifanenjehan’ny fokonolona. Mbola nitady hirika hitsoahana ihany anefa ry zalahy saingy tsy afa-nanohitra intsony satria voaray tamin’ny vozon’akanjony araka ny fitenenana. Araka ny vaovao azo dia efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy ireo satria voadaroky ny sasany tamin’ireo nanenjika vao hany voasambotra. Nisy anefa ireo izay nanohitra izany ka voatery niantsoana mpitandro filaminana. Natolotra ny fampanoavana teo Anosy omaly i René sy Faly ary efa mandeha ny fanadihadiana rehetra amin’izao fotoana izao.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre