Andramasina – Fandrehetana afo nahamay trano!
Rotiky ny afo tanteraka ny trano iray manontolo vokatry ny tsy fitandremana madinidinika misy ao an-tokantrano, indrindra moa fa ho an’ny ankizy kely izay mbola tsy mahatakatra loatra ny loza mety hateraky ny fihetsika tsy voatandrina ataony, toy ny tsy famonoana tanteraka ny afo rehefa avy mandrehitra izany. Dia toy izany tokoa no nitranga tany Ambodivato, kaominina ambanivohitr’Andramasina ny Alarobia 13 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora latsaka fahefany teo, satria tovovavy kely izay nandrehitra afo tamin’ny fandrehetana no nahatonga ny famaizana ka nahadoro ny trano fonenany iray manontolo, rehefa avy nanadino izany fandrehetana izany teo amin’ny toko fandrahoana sakafo. Vokatr’izay, may avokoa ny entana sy ny fitaovana rehetra tao an-tokantrano, ary zara raha nisy azo noraisina intsony. Tsy nisy nefa ny aina nafoy, na ny olona may tao anatiny na dia izany aza. Efa nisy moa ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra manoloana izany toe-java-nitranga izany satria nidina teny an-toerana avy hatrany ny Zandary namono ny afo ary koa nanao ny fizahana. Ny brigade de polisy eny Andramasina no manao ny famotorana amin’izao fotoana izao.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







