Talata-Volonondry – Lasibatry ny asan-dahalo ihany koa
Tanàna iray tsy dia lavitry ny renivohitra i Talata-Volonondry, ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano satria 30 kilometatra monja no manasaraka azy ireo raha manaraka iny lalam-pirenena fahatelo iny izay mampitohy an’Antananarivo sy Anjozorobe.
Tsara rahateo izany lalana izany raha ny hita hatreo Talata-Volonondry aloha ary rehefa faran’ny herinandro dia maro tsy voatanisa ireo kodiaran-droa “scooter” mamonjy iny lalan’iny izay tsy misy fahasarotany firy ihany koa amin’ny lafin’ny familiana. Araka izany, mahalana ihany vao misy ny lozam-pifamoivoizana lehibe ary matetika aza noho ny hafangainam-pandeha diso tafahoatra no mahatonga izany. Toy izany koa ny lafiny fandriam-pahalemana izay azo lazaina fa milamindamina ihany mihoatra ny tanàna hafa. Ny vaky fasana no tena re tao amin’ity kaominina ambanivohitra iray ity na dia nisy ihany aza fanakanan-dalana nitranga fotoana vitsivitsy lasa izay.
Ankehitriny anefa nivadika izany rehetra izany satria tongan’ny asan-dahalo ihany koa ity tanàna iray malaza amin’ny koba sy saosisy ity. Ny talata faha-13 septambra lasa teo tamin’ny 10 ora sy 30 minitra alina teo dia nisy ny halatr’omby tao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Andranotsimiova. Lasan’ny olona tsy fantatra ny omby miisa roa izay tao am-bala ary hatreto aloha raha nanao fanarahan-dia ny zandary sy ny fokonolona dia mbola tsy hita ireto biby ireto. Amin’izao fotoana izao anefa dia ilaina tokoa ny omby amin’ny asa eny an-tanimbary ka very fanahy mbola velona ihany ny mponina no sady voa roa satria very ny fananana ary lasa mihantona ho azy ihany koa ny asa.
J.L.R
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







