Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Cua – Niharan’ny herisetra ilay mpitandro filaminana, polisy monisipaly

Fanafihana mpitandro filaminana am-perinasa. Niharan’ny herisetra teo amperin’asa indray omaly tolakandro ireo ekipa nandamina tsena teo Analakely, teo amin’ny Naza Electronic, ahitàna polisy monisipaly, polisy nasionaly ary mpiasa sivily avy amin’ny kaominina Antananarivo-renivohitra. Polisy monisipaly telo no naratra vokatry ny tora-bato. Raha ny loharanom-baovao dia teratany vahiny sendra nandalo teny an-toerana no mba niaro ireo mpitandro filaminana.  Voasambotra, tratra teo am-pitorahana vato mihitsy ny anankiroa tamin’ireo mpivarotra tompon’antoka tamin’izao herisetra izao. Efa natolotra avy hatrany ny commissariat central de la police eny Tsaralalàna izay hisahana ny famotorana izy ireo. Mampitandrina ireo mpivarotra tsy manara-dalàna mampiasa herisetra fa handray fepetra hentitra ny kaominina, izay tsy hihemotra amin’ny asa fandaminana ny tsena.

Marihina fa vao tsy ela akory izay no niharan’ny herisetra toy izao ireto mpitandro filamainana ireto izay nahavaky tanteraka ny fitaratra tamin’ny fiaran’izy ireo ary hatramin’izao dia mbola tsy voasolo izany. Mpivarotra iray nitoraka “coup de tête” ny fitaratra aoriana no niantombohan’izany, izay norasim-potsiny vokatry ny ratra teo amin’ny handriny. Nohon’ny tsy fanarahan-dalana sy fanimbana fananana iombonana moa dia efa naiditra am-ponja vonjimaika ireo voasambotra tamin’iny raharaha teo aloha iny. Ny tranga vao omaly kosa dia ho mafy ny sazy hahazo ireto roalahy satria dia eo ny fanoherana sy fandratrana mpitandro filaminana nataon’izy ireo. Raha ny toe-java-misy eo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny mpivarotra amoron-dalana dia mbola lavitra ezaka ny hisian’ny fifampihenoana eo amin’ny roa tonta. Raha ny vaovao mikasika ny kaominina ihany dia mpiasa 16 no voaroaka ary mety higadra mihitsy amin’ny fampiasana diplaoma bakalôera sandoka namenoana ireo antotan-taratasy mba hidirana ho mpiasa ao amin’ny kaominina. Marihina fa raha ny loharanom-baovao hatrany dia olona mpiasa ao amin’ny kaominina ihany no manao sy mivarotra izany tamin’ireo mpiasa ireo.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre