Andranomanelatra – Antsirabe – Nitaraina tany amin’ny polisy ilay rangahy fa vonoim-badiny
Ankehitriny dia tsy ny vehivavy irery intsony no iharan’ny vono sy daroka ao an-tokatrano fa ny lehilahy ihany koa. Toa mampatsiahy an’ilay horonan-tsary vahiny mitondra ny lohateny “Norbit“ lalaovin’i Eddy Murphy, izay ny lehilahy indray no mitondra faisana amin’ny fampijaliana ataon’ny vadiny aminy. Tranga hafa kely sady toa mampihomehy indray no niseho tany amin’iny faritra Andranomanelatra Antsirabe iny satria dia raim-pianakaviana iray no tonga tany amin’ny polisy nitondra ny fitarainany momba ny fampijaliana sy daroka ataom-badiny azy. Hay araka ny loharanom-baovao azo fa vao nanorin-tokantrano vao tsy ela akory izy roa ary tena nifankatia tsy misy tahaka izany. Ilay rangahy izay mbola tsy an’asa amin’izao fotaoana izao ka ny hany mba fialam-boliny dia ny manaraka ny namany mandeha manao karatra. Tsy tian’ny madama anefa izany fandehandehanana izany ary dia nampitandrina ity farany fa hovonoiny rangahy raha mbola mandingana ny tokonam-baravaran’ny trano. Tsy nanaiky ny fangatahan-dramatoa anefa ity lehilahy ary nandeha tamin’ny di-dohany ary teo no nanomboka voadaroka izy. Niantomboka tamin’ny felaka izany ary tonga hatramin’ny fandakana mihitsy. Niezaka ny namaly sy niaro tena ihany anefa rangahy saingy tsy nahatohitra ny herin’ilay ramatoa noho ny haleben’izy ireo tsy mitovy. Nanomboka teo dia nitohy ny daroka ary toa lasa fialamboly mihitsy izany satria efa ho isan’andro dia voadaroka rangahy eny fa na dia tsy mahavita ny sasa lovia ampanaovina azy aza. Tampina ny daomy araka izany ka ny hany azony natao dia ny nandeha nitaraina tany amin’ny mpitandro filaminana. Raha ny vaovao azo dia hangataka lalàna fisaraham-panambadiana ilay raim-pianakaviana satria leo tanteraka ary afabaraka mihitsy amin’ny manodidina satria efa nisy fotoana teny an-tsena no novoin’ilay ramatoa izy. Raha ny voalaza ihany dia nianatra ireny haiady ireny ilay ramatoa tamin’ny fahazazany ary mety izany no maha mafy be azy.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







