Sinoa efa velona !
Fomba fiteny nahazatra ny ankizy tany amin’ny taona 80 tany ny hoe « sinoa vao mivelona », izay nentina ilazana ireto teratany vahiny ireto izay somary kahihitra be ihany rehefa ividianan-javatra. Ny varotra tokoa mantsy no tena asa idiran’ny sinoa rehefa tonga eto amintsika izy ireo ka nisy ny nanao tsenakely ahitana ny kojakoja ilaina andavanandro raha nisy kosa ireo nisafidy ny magazay ivarotana ny entana isan-karazany toy ny kiraro, lamba, fitafiana sy ny sisa tsy voatanisa. Etsy ankilany, malagasy no mpividy ary dia miady varotra aloha vao mivanga. Fombantsika io ary tsy hita izay maharatsy azy kanefa ihany koa manaja ilay fitenenana hoe « tsy mahafaty ny reniny kanefa tsy mahabotry ny zanany » ka raha sanatria tonga amin’ny tsy azo anoharana dia nasian’ireo razambentsika oha-pitenenana indray milaza fa « ny varotra tsy raikitra, tsy maharatsy fihavanana » ! Araka izany dia ny sehatra ara-barotra tokoa no tena mahavantana ireto vahiny sinoa ireto raha ny eto amintsika ary maro no mahatadidy fa ny fikarakarana sakafo tahaka ireny restaurant sy salon de thé ireny dia saika sinoa daholo no tompony eto amintsika ary ireo renivohi-paritany rehetra dia saika ahitana azy ireo avokoa. Eo ihany koa ny fanaovana mofo na ny boulangerie ho an’ireo sinoa efa ela nipetrahana teto amintsika, na ihany koa ny fanangonam-bokatra maro samihafa toy ny kafe, ny jirofo, ny lavanila, eny fa hatramin’ny voankazo ihany koa. Ary tena mahay manangona sy miaritra tokoa, araka ny fitenenana, ry zareo amin’izany asa izany. Ny sehatry ny varotra momba ny fitaovana elektronika ihany koa dia ahitana azy ireo toy ilay tranombarotra malaza iray izay, izay manoloana ny araben’ny fahaleovantena izany. Ireo sinoa tonga tato afara, izany hoe tao anatin’ny folo na dimy ambin’ny folo taona izay dia havanana dia havanana tokoa amin’ity lafiny farany ity saingy somary nampian-dry zareo fivarotana telefaona sy solosaina indray izany. Hita ihany koa fa mahay mampiranty ny entana maro samihafa amidiny izy ireo satria manintona ny maso tokoa ireo « labotika » tantanin’izy ireo, indrindra moa nasiany haingony hafa kely dia tsy inona izany fa ireto zatovovavy malagasy izay mandray ny mpanjifa. Babo ny rehetra, hany ka toa sahala amin’ny rano ny vola miditra aminy na dia fantatra izao aza fa tokony hanjifa ny vita malagasy aloha isika izay vao mieritreritra izay rendrarendra mirentirenty. Fa tao anatin’izay fotoana vitsy izay, roa taona izay raha ela indrindra, dia karazana sinoa hafa indray no tonga teto amintsika ary ireto farany dia azo lazaina fa tena manan-katokona tokoa. Ireto indray dia ny fanjakana avy hatrany no anantonany ary any izy ireo no mifampiraharaha manofa tany ary tsy mba hektara vitsy no alaina hanaovana fambolena sy fiompiana, ohatra, fa aman’arivony ka mety mahatratra aman’aliny mihitsy aza. Lohalaharana amin’izay ny tanindrazantsika izay fantatr’izy ireo fa manana harena an-kibon’ny tany tsy hita noanoa mihitsy. Tsy misy izay iraharahan-dry zareo izay fahasimban’ny tontolo iainana izany ary ireo vokatra eo ambonin’ny tany dia ripaka avokoa : vokatry ny fambolena izany na ihany koa ala notehirizina sy nokajiana nandritry ny taonjato roa na telo. Ankoatra izay, dia lotoin-dry zareo amin’ny alalan’ny akora simika ampiasainy ny rano ka tsy azo ampiasaina intsony ho an’ny fambolena sy fiompiana ary indrindra ny rano fisotro, ny renirano mbamin’ny loharano. Etsy andaniny, lotoina na ny marimarina kokoa vonoiny, mihitsy ny kolontsaina malagasy izay mbola manaja ireo raiamandreny, zoky sy zandry lasan-ko razana satria dia esorin-dry zareo hatramin’ny fasan-drazana. Tsy misy toerana hiandrasan’ny maty ny fiainana mandrakizay intsony araka izany. Ny velona aza moa ahitan-dry zareo sotasota satria terena ihany koa hiala amin’ny tranon-drazana sy ny trano fonenana ary ny tanàna iray manontolo mihitsy. Ankoatra ny vaky fasana izany izay mahazo laka eran’ny nosy mihitsy dia tsy maintsy atrehina ihany koa ny fanimbazimbana ny maha malagasy ataon’ireto sinoa ireto ary ny mahagaga dia mibitaka ery ireto mpino amin’ny fiangonana zandriny sy ny iray amin’ny fiangonana ao anatin’ny fiombonam-ben’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara izay manambany ireo Malagasy mbola mitàna ny fomban-drazana amin’ny famadihana ohatra. Ny hadinon’izy ireo dia milalao tanteraka ny kajin’ny sinoa izy ireo ary iza tokoa moa no mahalala raha efa nahazo vola tany ihany koa ireto Malagasy ireto hanatanterahana izany asa mamoafady izany ! Sendra mba tsy aritra fotsiny iny fa raha iverenana ireto karazana sinoa tonga farany teto amintsika ireto, izay tonga miaraka amin’ny fitaovana goavam-be toy ny fiarabe sesehena, ny fiara tsy mataho-dalana, ohatra, dia mazava fa ny haka ny harena an-kibon’ny tany rehetra misy eto amintsika no tena anton-diany. Ireto kosa aloha raha izany no izy dia tsy mba “sinoa vao hivelona” fa efa manana ny ampy tanteraka ka ny hampitombo ny ambaindain’ny harena efa ananany no tena tanjony.
Razeantsikivy
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







