Mahajanga – Vangovango volafotsy saika haondrana antsokosoko
Tsy mitsaha-mitombo ny fanondranana harem-pirenena makany ivelany, mba hahazoan’ny tena tombontsoa manokana na dia efa fantatra aza fa enjehina mafy izay tratra manao izany. Volafotsy vangovango miisa 15, izay fantatra fa lafo vidy any ivelany tokoa mantsy no saika haondrana any Mayotte, tamin’ny 17 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany maraina. Tratran’ny zandary teny amin’ny seranam-piaramanidin’Amborovy – Mahajanga tokoa ilay madama teratany kaomorianina, nitondra an’ireo entana ireo, nandritra ny fisavana fanindroany natao taminy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nilaza io kaomorianina io fa tsy fantany akory hoe iza ny olona na andian’olona naniraka azy hitondra ireo zavatra ireo, fa dia iraka avy any an-toerana ny azy ka notanterahiny. Fantany kosa anefa fa ramatoa iray monina any an-toerana no anomezana ireo harena sarobidy ireo raha vantany vao tonga any an-toerana izy. Nisy avy hatrany ny fepetra noraisina manoloana izany ka nantsoina ny tao amin’ny “douane”, izay nahagaga tokoa ary nilaza fa tsy nahita io volafotsy io tamin’ny fisavana voalohany izay nataony ary nilaza fa raha firavaka 400 grammes dia azo hoentina. Nampahafantarina ny solontenan’ny tompon’andraikitra tao an-toerana moa izany toe-java-nitranga izany, ka ity farany no nampilaza ny tale jeneraly izay aty Antananarivo. Nisy moa ny fanapahan-kevitra ny handefasana ihany ilay kaomorianina hanohy ny diany fa ny entana kosa notazonina tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Mahajanga, ary ho antsoina ny tompon’andraikitry ny fitrandrahana mines ny amin’ny tohin’ny raharaha.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







