Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Nosy Be Hell-ville – Tsy diso anjara tamin’ny fanofanana momba ny zon’ny mpiasa

Miisa 1 306 ireo mpampiasa any Nosy be Hell-ville voasoratra ao amin’ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na CNaPS. Mahatratra 12 531 kosa ny mpiasa voasoratra sady voaefa ny latsakembokany. Ny mpisotro ronono no maro an’isa satria mahatratra 871 izy ireo, raha 77 ny isan’ireo tra-doza amperin’asa mahazo fanampiana. Miisa 41 kosa ny mpandray volan-jaza. Raha jerena ireo statistika ireo dia azo lazaina fa vitsy raha oharina amin’ny isan’ny mponin’ny Nosy Be izay manodidina ny 50 000 eo ho eo. Koa satria tanjon’ny tahirim-pirenena ny hanome fiahiana ara-tsosialy tsy miangatra ho an’ny rehetra dia nikarakara fanofanana ho an’ireo mpampiasa sy delege sendikaly tany nosy Be Hell-ville ny CNaPS nandritra ny telo andro tamin’ity herinandro ity.

Tanjon’ny tahirim-pirenena nandritra ny fampiofanana nokarakarain’ny sampan-draharaha Sass (na ny Service d’actions sanitaires et sociales) ny fampahafantarana ny mponin’ny Nosy-Be ny mikasika ny fiahiana ara-tsosialy misy eto Madagasikara. Nampahafantarina ireo mpizaika ihany koa ny atao hoe aro loza mba hahalalan’ny olona bebe kokoa ny fomba isorohana izany loza izany hoy Razafindramiarana Nucsia talen’ny masoivohon’ny CNaPS any Nosy-Be Hell-vile. Mba hahatonga ireo mpiofana ho lasa ambasadaoron’ny CNaPS eny anivon’ny toeram-piasany ary dia nentanina izy ireo hanefa ny adidiny amin’ny fandoavana ny latsakemboka, mba hahafahan’ny tahirim-pirenena miroso amin’ny fizarana ireo tombotsoa isan-karazany ho an’ny mpiasa sy ny vady aman-janany.

Safidy Andriaina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre