Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Fitsarana Toamasina – Fametrahana amin’ny fomba ofisialy ireo tompon’andraikitra

Tontosa ny marainan’ny zoma 16 septambra 2016 tao amin’ny efitrano malalaky ny fitsarana ambony Toamasina, ny lanonana manetriketrika fametrahana ireo mpitsara hisahana ny andraikitra vaovao eo anivon’ny fitsarana ambony, sy ny tribonaly ambaratonga voalohany. Ny lanonana manetriketrika voalohany tamin’izany  ny fametrahana ny Lehiben’ny fampanoavana ara-bola eto Toamasina, ka ny mpitsara, Razafinarimalala Eddy Diwallon, Commissaire Financier, no voatendry hisahana io andraikitra io, ka ny fanaraha-maso ny vondrom-bahoakam-paritra ara-bola no anisan’ny asa iantsorohany. Taorian’izay ny lanonana manetriketrika ho fametrahana amin’ny toerany ireo mpitsara telo voatendry hiasa amin’ny fitsarana ambony ao Toamasina, dia ramatoa sy andriamatoa mpitsara isany : Rasoavololona Perrault Zanifera, Ptésident de Chambre, – Razafindrakoto Solohery, Avocat General, – Tatafraky Benjamin, Substitut General. Samy manana ny traikefany mampiavaka azy tsirairay izy ireo . Ny lanonana manetriketraka amin’ny fotoam-pitsarana nanaraka kosa dia ny fametrahana ny Filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, ka ny mpitsara, ramatoa Dadifotsy Sabine, no voatendry hisahana sy hiandraikitra io toerana io manomboka izao. Araka ny voalaza, feno tanteraka ny traikefa eo amin’ity filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina ity. Ny namaranana ny lanonana amin’ny fotoam-pitsarana manetriketrika  natao tao amin’ny fitsarana ambony any Toamasina kosa, dia ny fametrahana amin’ny toerany ny zokiolona  na ny « doyen de juges  au tribunal de première instance » Toamasina, ka ny mpitsara, Iavilisy Sid Antonio, no voatendry ho amin’izany toerana izany.

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre