Ambatofotsy – Potika tsy nisy noraisina ilay môtô nofaohan’ny fiara
Tsy ny fiarakodia ihany no mety hanao lozam-pifamoivoizana andratrana sy amonoana olona rehefa mihoatra amin’ny hafainganam-pandeha fa na ny kodiaran-droa ihany koa aza. Na eto an-drenivohitra na mivoaka ireny lalam-pirenena ireny manko dia maro ireo mpitondra ity farany no misetrasetra fatratra. Hany ka mitombo isa isan’andro ireo matin’ny lozam-pifamoivoizana. Betsaka amin’izy ireo ihany koa ny mitondra takaitra mandrapahafatiny ary maro ireo tsy afa-mamindra intsony noho ny ratra nahazo azy.
Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no nitranga omaly tokony ho tamin’ny roa ora folakandro teny amin’iny lalan’Ambatofotsy iny. Môtô Isuzu iray no voafaokana fiara mazda rehefa nikasa ny hisongona fiara hafa ity voalohany. Vokatry ny fandehanana mafy tao anaty fiolanana anefa dia tsy voavilin’ity farany intsony ilay kodiarana, no sady nalama ny lalana, ka nibolisatra ity môtô ary nidona tamin’ilay mazda nipotra tampoka. Araka ny vaovao azo dia potika tanteraka ilay kodiaran-droa izay avy niantsena angamba satria mbola feno voatabia, tongolo ary chou fleur sy ny sisa tao anaty seza. Tsy nisy noraisina intsony ilay moto eny fa hatramin’ny “moteur” izay tena rotika tanteraka. Ny seza ihany no niala tamin’ny vatany sy nipitika teny amin’ny sisiny. Ny lohan’ilay fiara nandona koa dia potika saingy tsy dia nahery vaika loatra ny fahasimbana tamin’izany. Ilay nitondra ilay moto moa efa noentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly. Tsy nahitana rà ny arabe fa raha ny dona nahazo azy dia mety misy taolana tapaka. Ity farany izay naratra mafy ary ahiana mafy koa ny toe-pahasalamany. Ireo nanatri-maso kosa dia nanome tsiny azy satria araka ny voalazan’izy ireo dia tsy nisy tokony nisongonany mihitsy satria ny lalana nalalaka tsara. Misy ary moa ireo miteny fa tsy hatao mahagaga intsony fa tena gaboraraka ary tsy misy manara-dalana intsony ireo môtô indrindra fa ny scouter.
Ra Tax.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







