Mampikony – Feno mpitandro filaminana ny tanàna
Hanao savahao sy hazalambo ireo olon-dratsy no antom-pisian’ny zandary marobe any Mampikony fa tsy misy tany miady akory hoy ny loharanom-baovao ary any an-toerana. Fantatra fa nandany fepetra goavana ny mpitandro filaminana any Mampikony mba hanatsaharana ny tsy fandriam-pahalemana izay niha nahazo laka tato ho ato. Tamin’iny volana aogositra iny mantsy dia nahatratra 5 ny isan’ny olona maty novonoin’ny jiolahy tany an-toerana ka nahatonga ny zandary handray izao fepetra izao. Mitovitovy amin’izany ihany koa ny zava-mitranga any Ikongo satria nandefa zandary marobe any an-toerana ny kaompanian’i Manakara. Hanao asa fampandrian-tany mandritra ny 20 andro no tena anton’izao hetsika izao. Fepetra noraisina taorian’ny vaky fasana niteraka savorovoro sy fitsaram-bahoaka ity fandefasana zandary marobe ity. Andrasan’ny olona kosa mba hifantoka amin’ny ady amin’ny halatra taolam-paty izao hetsika izao fa tsy sanatria ho fanaovana antsojay amin’ireo mponina.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







