Mandritsara – Voasambotra ilay nangalatra 90 tapitrisa
Telo volana mahery aty aoriana dia voasambotra ihany ny jiolahy iray nampihorohoro ny mponin’i Mandritsara. Tamin’ny faramparan’ny volana mey no nahenoana azy farany ary fanafihana goavana no vitany tamin’io fotoana io. Vola mitentina 90 tapitrisa ariary mantsy no lasany tamin’ny vaky trano nataony ary tafaporitsaka izy niaraka tamin’ny volabe. Tsy nanaiky nolembenana ny mpitandro filaminana fa nanohy ny fanadihadiana ary nitsongoloka nijery tamin’ny antsipiriany ny hirika rehetra mety hahitana sy hisamborana ilay jiolahy. Nody ventiny ny rano natsakaina tamin’iny faran’ny herinandro iny satria latsaka tao anaty velam-pandrika ilay olon-dratsy ary tsy afa-niala fa voasambotra. Tsy be famaliana ary tsy nandainga fa niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny fanadihadiana. Efa natolotra ny fitsarana ary naiditra am-ponja vonjimaika ity olon-dratsy nikoizana sy mpampihorohoro ny mponina ity. Any am-pigadrana izy miandry izay tena heloka omen’ny fitsarana azy.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







