Ankazoabo – Lasan’ny dahalo ny ombin-dramose
Tao an-tampon-tanàna mihitsy no nitrangan’ny fanafihana ary mpampianatra ilay voatafika. Ny alahady alina hifoha alatsinainy no nisian’ny fanafihana ka am-polony ireo mpanafika izay nirongo basy. Tsy nitsaitsaika izy ireo fa nahery fiavy satria sady nanapoaka basy tsy an-kijanona no nihorakoraka ary nitsoka kiririoka no sady nandefa radio mafy dia mafy ihany koa hampihorohoroana ny mponina. Nisy ihany ny andrimasom-pokonolona saika hanohitra saingy noho ny hery tsy mitovy sy ny fitaovam-piadiana tsy mifanentana dia tsy sahy fa nandositra ireo tompon-tanàna. Tao anatin’ny tabataba tsy nifandrenesana no nakan’ireo dahalo ny omby rehetra tao am-bala izay miisa 13. Nihorohoro ny rehetra satria tena tamin’ny diavolan’ny misasak’alina mihitsy no nisehoan’io fanafihana io. Ny ampitso maraina vao natao ny fandaminana ka roso tamin’ny fanarahan-dia ny zandary sy ny dinabe any an-toerana. Hafa kely mihitsy ity fanafihana ity ary nasehon’ireo dahalo fa tsy matahotra na iza na iza izy ireo ary tamim-pahasahiana sy tamim-piravoravoana no nanatanterahany ny halatra nataony. Mihorohoro ny mponina any an-toerana sao ho lasa mateti-pitranga ny toy izao ka miantso ny tompon’andraikitra mahefa mba hametraka lamina maty paika hisorohana ny mety hiverimberenan’ny fanafihana avy amin’ny dahalo.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







