Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Morondava – 4×4 iray nilatsaka tany anaty hantsana

Tsy  zava-baovao ho an’ny rehetra intsony ny fisian’ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana, indrindra amin’ny andro alina satria mihevitra ny ankamaroan’ny mpamily fa efa vitsy mpandeha ny lalana ary tsy misy intsony ny fitohanan’ny fiara ka afaka manao izay tiana hatao. Izany anefa no mahatonga ny faharatrana mafy izay miafara amin’ny fahafatesana mihitsy aza. Tamin’ny 19 septambra lasa teo, tany amin’ny distrikan’i Morondava, faritra Menabe, fokontany Betanatanay, kaominina ambanivohitr’i Dabolava, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany maraina dia fiara 4×4 Toyota Land Cruiser iray, nitondra olona 6 no nilatsaka tany anaty hantsana noho ny fandehanana mafy. Olona iray naratra mafy ary nentina tany amin’ny hopitaly izay akaiky indrindra. Vantany vao naheno izany ireo zandary any an-toerana dia nidina ifotony avy hatrany nanao ny fanadihadiana. Ny aina Ramangatahiana ka ny fitandremana sy ny fandehanana milamina ihany no vahaolana hisorohana ny loza.

Anna Ra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre