Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Boriboritany fahatelo – Manimba fiaran’olona ny orinasa Saga

Tezitra sy mimenomenona ny mponina eny amin’ny boriboritany fahatelo noho ny afitsoky ny orinasa Saga na “Société d’arts graphique d’Antananarivo”. Misy andian’olon-tsy fantatra manaparitaka ny “autocollant” famantarana io orinasa io mantsy tato ho ato. Ny tena mampitaraina ny mponina dia apetak’ireo olon-tsy fantatra ireo amin’ny fiara ilay “autocollant” izay tsy mety miala mihitsy fa tsy maintsy kikisana vao afaka. Izany hoe tsy maintsy misy kiky ary simba ny lokon’izay fiara voan’io “autocollant io”. Misy laharan’antso an-tariby eo amin’ilay autocollant io saingy maneno fotsiny ilay izy fa tsy misy mandray rehefa antsoina. Tsy fantatra noho izany na olona voakarama na ihany koa tena migafy fotsiny ny mametaka izany eny amin’ny fiaran’olona. Ny azo antoka aloha dia tsy maintsy tao amin’ny orinasa no nivoaka ireny autocollant ireny ary tompon’andraikitra feno amin’ny fiparitahan’izany io orinasa io. Anjarany ny manara-maso ny zavatra mivoaka ao aminy.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre