Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Ambohidratrimo – Lehilahy iray nananton-tena tao an-tranony

Vatana mangatsiaka nihantona tamin’ny tady sisa no niandry izay niditra tao an-trano. Voalaza fa namono tena irery tao ny lehilahy iray 44 taona. Efa nijery ny razana ny zandary sy ny dokotera ary tena voaporofo tokoa fa famonoan-tena ny nahafaty azy. Milaza ho tsy nisy nahalala ny antony ny fianakaviana. Nentiny niaraka taminy any amin’ny varo tsy mifody izany ny tsy ambaratelon’ny tranga niainany ka tsy nahazakany intsony ny fiainana teto an-tany. Tena mateti-pitranga tato ho ato ny famonoan-tena ataon’ny lehilahy. Antony maro no aroson’ireo mpandinika ho mahatonga izany. Ny itoviany dia ny tsy fahazakana donam-piainana mahery vaika ka mahatonga ilay olona hamoy fo. Ny tanoranora dia setrasetram-pitiavana no tena anton’ny famonoan-tena fa ny efa nahazo taona kosa dia ny tsy fisiana sy ny fahakiviana. Samy manana ny fomba fitsarany ny rehetra ary maro ireo manasokajy ny mpamono tena ho kanosa sy mpandositra adidy. Misy kosa ny mitsetra satria matoa namoifo ny olona iray dia tena tsy zakany intsony ny zava-niseho taminy.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre