Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Fandravana trano – Mampitandrina ireo manorina trano tsy ara-dalana ny Cua

Mampitandrina hatrany ireo rehetra manao asa fanorenana tsy manara-dalàna ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra fa tsy hilefitra amin’ny fampiharana ny lalàna velona.    Trano fivarotana enta-madinika iray teny Ampasanimalo (Boriborintany Faharoa) no narodan’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra androany tamin’ny 6 ora sy sasany maraina.   Efa nisy ireo dingana samihafa nolalovana talohan’izao, toy ny fampakarana ny raharaha teny amin’ny fitsarana, izay niafara tamin’ny faharesen’ny tompon’ny trano. Nampiomanina tapa-bolana mialoha sy 24 ora mialohan’ny fandravàna ny tompon’ny trano vao nandray izao fepetra izao ny kaominina. Olona 25 avy ao amin’ny foiben’ny asa vaventy (Direction des Travaux Publics/Cua) no nisahana ny asa, natrehin’ny Vadintany, Polisy Monisipaly sy Polisy Nasionaly maromaro. Izany dia fampiharana ny Didim-pitondrana Monisipaly Laharana 755-CUA/CAB.16 tamin’ny 21 Septambra 2016.  Tsy misy rihana ny trano, 4 metatra ny halavany, 2 metatra ny sakany. Noho ity trano ity naorina ambony lalam-bahoaka no antony nandrodanana azy.  Tsiahivina fa ny lalàna mitondra ny laharana 2015-052 tamin’ny 3 Febroary 2016 mikasika ny fanajariana ny tanàn-dehibe sy ny toeram-ponenana, no manome fahefana ny Ben’ny Tanàna hamoaka didim-pitondrana monisipaly mikasika ny fandrodanana trano miorina ambony lalam-bahoaka.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre