Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Bongolava – Mitafy miaramila sy mitondra basy kalaky ny dahalo

Iaraha-mahalala fa araka ny fehezan-dalana manan-kery dia sokajiana ho heloka bevava ny halatr’omby. Raha zohina eo amin’ny lafiny ara-kolontsaina anefa ity resaka halatr’omby ity, dia tsy tokony ho hadinoina fa azo kilasiana ho fomba amam-panaontsika malagasy ihany izy ity teo aloha ary mbola hita taratra izany hatramin’ny faramparan’ny taona 1975. Iaraha-mahita anefa

ankehitriny fa tanterahina  amin’ny fomba feno habibiana izany, ka very tanteraka ny endriny fahiny amin’ny maha kolontsaina azy. Ny alakamisy lasa teo tamin’ny iray ora tolakandro dia dahalo 20 lahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika tao amin’iny  toerana iray antsoina hoe Andranimiely, fokontany Mazamiepo ao amin’ny faritra Bongolava iny. Teo am-pangalarana ireo omby izy ireo no tra-tehak’ireo 8 lahy mpiandry omby saingy nataon’ireo dahalo sambo-belona ireto farany ka tsy afaka nanao na inona na inona. Nataon’ireo mpanao ratsy takalon’aina noho izany ry zalahy ary  nizotra nianatsimo ny dian’omby.

Tafaporitsaka anefa ny iray tamin’ireo takalon’aina, ary ity farany no nitantara fa misy tafika 02 manao « tenue de combat » sy mitondra basy kalaky amin’ireo dahalo. Tsy fantatra mazava noho izany raha tena mpitandro filaminana no miray tsikombakomba amin’ireo dahalo na hoe fitafiana fotsiny no nisaloran’izy ireo mba  hanosoram-potaka ireo mpitandro filaminana fotsiny. Rehefa nampandrenesina ireo tompon’omby dia zandary 4 avy ao Bemahatazana sy Mazamieno no manao ny fanarahan-dia miaraka amin’ny fokonolona. Nisy noho izany ny fifandonana tamin’ny mpanara-dia sy ireo dahalo ka azo avokoa ireo takalon’aina 7 ambiny. Ny mampalahelo anefa dia mbola any am-pelantanan’ireo dahalo avokoa ireo omby. Mitohy hatrany ny fanarahan-dia.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre