Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Toamasina – Solika 1640 litatra saika havoaka antsokosoko

Tafiditry ny mpangalatra solika ny eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Olona 9 lahy no tratra ambodiomby saika hangalatra gazoala 1640 litatra afakomaly alina. teo ampikasana ny hamoaka izany izy ireo no saron’ny mpiambina.

Tsy nisy afa-nihetsika fa voasambotra avokoa ary notanana ao amin’ny borigadin’ny seranan-tsambo ireo jiolahy ireo.  Tsy mahagaga ny tranga toy izao raha ny zava-misy ankehitriny no jerena satria efa tena sahirana amin’ny fiakarana tsy ankijanona eo amin’ny vidin-tsolika ny mpandraharaha malagasy.

Mazava ho azy fa ireo mpitatitra no tena mitady sy sahy mividy gazoala halatra toy izao. Na eto an-drenivohitra aza dia efa tongan’ny mpisoloky mitety tranon’olona sy manantona izay mpamily mihatsona eny an-dalana sao hividy gazoala amin’ny vidiny mora kokoa raha oharina amin’ny eny amin’ny toby fivarotan-dasantsy ara-dalàna. Mila mailo ihany anefa ny rehetra  manoloana ireny solika halatra ireny satria sady tsy ara-dalàna no ihany koa tsy azo antoka fa mety hanimba ny fiara. Tokony hahatonga saina ny tompon’andraiki-panjakana ihany koa ny tranga toy izao satria tena lafo loatra ny vidin-tsolika eto amintsika ka mampanitatra ny sain’ ireo olon-dratsy hitady hirika hividiana mora.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre