Vous êtes ici :

Samedi 04 Mai 2024

ombre

Toamasina – Nitelina olona ny ranomasina

Naka olona indray ny rano tany Toamasina. Tovolahy vao 20 taona monja no natelin’ny rano rehefa nandro teny amorony. Mponina ao Tanambao 5 izy io ary karazan’ny efa zatra misaika eny. Efa manao ny fikarohana ny tompon’andriakitra isanisany saingy tsy mbola hita ny razana hatramin’ny fotoana nanoratana. Amin’ny loza an-dranomasina toy izao dia maro ny olona no miresaka ny fisian’ny hery tsy hita maso misintona ireny olona lasan’ny rano ireny. an-jatony, mba tsy hilazana hoe an’arivony mantsy ny olona misaika sy milomano eny amin’ny ranomasina nefa dia tsirairay hatrany no lasan’ny rano. Maro rahateo ny fomba amam-panao tsy maintsy hajaina amin’ny rano eto Madagasikara. Anisan’ireny ny tsy fihinanana na fitondrana kisoa na tongolo gasy, ny hafa kosa toaka, sns…Mbola manan-kery sy manan-danja amin’ny malagasy ny finoana toy izany ary tsy itadiavana fanazavana siantifika fa eken’ny maro. Tsy misy maharatsy ny mitandrina ny fomban-tany rahateo satria harena ara-kolotsaina izy ireny.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre