Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Midongy Atsimo – Dokotera no mpamatsy basy ny dahalo

Izany dokotera izany aloha dia azo lazaina fa olona ambony tokoa any amin’ny faritra lavitra andriana any ary inoan’ny vahoaka tokoa ny teniny. Raha ny tena marina aza dia mpandahatra ny hoavin’ny vahoaka mihitsy satria ny fiainan’ny mponina iray manontolo no miankina amin’ny fitsaboana. Mandidy sy manapaka ihany koa izany dokotera izany eo amin’ny lafiny ara-piarahamonina satria  vitsy dia vitsy ny olona nandia fianarana. Tsy hadino tokoa mantsy fa mbola betsaka ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra akory any ambanivolo any. Ka na ireo lehiben’ny faritra na distrika, indrindra moa ireo ben’ny tanàna sy ny mpanolo-tsainan’ny tanàna dia matahotra fadiranovana izany dokotera izany noho ny haben’ny fahaizana ananany. Fa tamin’ity indray mitoraka ity dia ny kalaony no nisambotra an-dradoko ary nanolotra azy tamin’ny zandary. Toy izao ny zava-niseho : nahatratra dahalo miisa dimy be izao ny andrimasom-pokonolona na ny kalaony avy any Befotaka Atsimo. Rehefa nohadihadiana ireto farany ireto mikasika ny fitaovam-piadiana eo an-tanany sy ampiasain’izy ireo dia nanondro ity dokotera iray ity, izay miasa any Midongy Atsimo izy ireo. Nataon’ireto andriamasom-pokonolona ireto ny fisamborana azy tao Mandaniresaka, izay fokontany ao anatin’ity distrika voalaza farany etsy ambony ity. Nandritra izany, naratra ingahy radoko kanefa noho ny antony rehetra voalaza etsy ambony, dia natolotry ny kalaony ny zandary tao an-toerana ranamana. Voalazan’ireo dahalo tratra ihany koa fa basy Mas 36 miampy bala maromaro no efa namatsian-dradoko azy ireo. Rehefa vita kosa ny fanadihadiana tao an-toerana dia nentin’ny zandary niakatra ny renivohitry ny faritra atsimo atsinanana ireo olon-dratsy sy ilay dokotera mba hatolotra ny fitsarana. Saingy hatreto aloha dia mbola manaraka fitsaboana noho ny ratra nahazo azy ao amin’ny hopitalibe Farafangana ingahy radoko. Manantena kosa anefa ireo andriamasom-pokonolona fa raha vao vita izany dia halefa hanatrika ny fampanoavana ny lehilahy.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre