Vous êtes ici :

Jeudi 02 Mai 2024

ombre

Faritra Boeny – Nilefa ireo jiolahy rehefa nifanena tamin’ny zandary

Fanaon’ireo jiolahy rehefa avy mangalatra omby ny mandeha mitady toerana tsy maro mpahita mba hanafenana ny omby azo. Matetika mantsy, araka ny vaovao azo avy amin’ireo mpitandro filaminana dia mandeha manafika toerana maromaro ireo malaso ary avagongon’izy ireo amin’ny toera iray aloha ny omby halatra vao hentin’izy ireo varotana any amin’ny toerana tsy voafaritra. Efa misy mantsy araka ny vaovao azo olona sy mpanjinjara mandray ireny omby halatra ireny izay entina amidy aty an-drenivohitra. Ny alakamisy lasa teo dia dahalo maromaro tra-maraina no nifanena tamina zandary miisa 4 izay nanao  fisafoana kizo tao amin’ny toerana iray antsoina hoe Andinilatsaka, fokotany Marosakoa ao amin’ny faritra Boeny, Distrikan’ny Marovoay. Raha ny filazan’ireto farany dia avy nangalatra omby mihitsy ireto dahalo ireto no sendra azy ireo ary tsy nanam-po hifanehatra amina mpitandro filaminana ry zalahy satria toerana tena kizo tokoa ity voalaza ity. Vao nahita ireto malaso moa ireo zandary dia avy hatrany dia namahana ny basy teny ampelatanany ka rehefa nahita izany ireo olon-dratsy dia nitady lalana hitsoahana avy hatrany. Navelan’izy ireo teo an-toerana noho izany ny omby 16 izay mbola tsy fantatra mazava ny tompony. Voatery nandray fepetra araka izany ireto zandary ka nampidirina fourrière ao amin’ny commune Ankazomborona ireo omby tratra, ary mbola mitohy hatrany ny fikaroham-baovao.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre