Brickaville – Fasana miisa telo no indray vaky
Raikitra indray ny fangalarana taolam-paty na eto an-drenivohitra izany na any amin’ny faritra. Ny sabotsy lasa teo, fasana telo be izao no nasesin’ireo mpangalatra taolam-paty novakiana tany amin’ny distrikan’i Brickaville, fokontany Tanandavana, kaominina ambanivohitr’Ambinaninony. Fongana tanteraka ireo taolan-dava tao amin’ireo fasana ireo. Ny tompom-pasana telo monina ao Anteromba Vohitanatana, Zafimpolony Marofody ary Ambolomadinika no sendra nahatsikaritra izany, tamin’ny alalan’ny fidanadanan’ny varavaram-pasana sy ny fisavovonan’ny vovon-tany teo akaiky teo. Tamin’izany ihany koa no nahalalana fa very ny razambe satria razana marobe tokoa no tao ary ny lamba namonosana azy ireo no sisa tavela tao. Raha ny tombatombana moa dia efa tamin’iny herinandro lasa iny no vaky ity fasana ity na koa efa talohan’izay. Misy ny fepetra noraisina manoloana izany ka efa manao ny famotorana ny polisy ny amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy.
Anna Ra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







