Antsiranana – Tratra ny hazo sarobidy saika haondrana
Saron’ny mpitandro filaminana ny fikasan-dratsy saika hanondrana hazo sarobidy tany amin’ny distrikan’Antsiranana II. Tsilian-tsofina no voalaza fa nandrenesan’ny zandary io trafika io ka nandraisan’izy ireo fepetra avy hatrany. Botry miisa 2 no fantatra fa saika hanondranana karazan-kazo “sohihy” antsokosoko, izay ilana fahazoan-dalana manokana. Tany Masorolava no saika hanaovana izany ary saron’ny mpitandro filaminana teo amoron-drano ireo zavatra ireo. Tsy hita kosa anefa izay tompony fa lasa nitsoaka. Nasaina nentina tany Ambavaniakarana izay akaikin’ny borigady Bobasakoa ireo botry ireo ary narahin’ny zandary avy ao amin’ny kaompania Ambilobe izay manao ny famotorana. Raha ny tokony ho izy dia tsy sarotra ny mitady ny tompon’ireo botry sy izay mpiray tsikombakomba tamin’ny fakana sy fikasana hanondran ireo hazo ireo. Mila miady mafy anefa ny mpitandro filaminana satria maro ireo mahitahita sy miseho ho tsy maty manota amin’ny raharaha fanondranana hazo toy izao.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







