Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Beroroha – Dahalo 60 lahy naka omby 150

Nanao andiany marobe ireo dahalo nanafika tao Bemavo Beroroha. Niisa hatrany amin’ny 60 ireo malaso no niditra an-keriny tao an-tanàna ka ny 40 tamin’izy ireo nilanja basy avokoa. Tsy nisy sahy nanohitra ny mponina fa nifitsaka ary nanara-po tamin’izay tiany ireo mpanafika. Omby hatramin’ny 150 no nalain’izy ireo ka efa lasa lavitra ry zalahy vao roso tamin’ny fanarahan-dia ny fokonolona. Zandary 4 no nanampy ny mpanenjika ary nisy ny fifandonana. Nangotraka ny ady ary tsy nifampitsitsy mihitsy. Vokany, lehilahy 2 no maty nandritra ny fifamonoana. Mpanara-dia ny iray ary dahalo kosa ny iray tamin’ireo lavo ireo. Tafaverina taorian’izay ny omby miisa 10 fa ny 130 kosa lasan’ireo dahalo izay afaka nandositra. Mitohy ny fanarahan-dia ary tsy manaiky lembenana ny fokonolona. Ny mahagaga ny maro dia ny firongatry ny asan-dahalo na dia eo aza ny fepetra sy hetsika raisin’ny mpitandro filaminana. Maro ihany ireo dahalo efa voasambotra saingy toa vao mainka mitombo isa hatrany izy ireo isaka ny manafika.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre