Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Bibilava lolo – karazam-biby vaovao hita tany avaratra

Karazam-bibilava hafa kely antsoina hoe « serpent fantome » na bibilava lolo no hita kisendrasendra tany amin’ny valan-javaboahary voaaro any Ankarana, any amin’ny faritra Avaratra andrefan’ny nosy. Tamin’ny volana febroary taona 2014 no hitan’ ireo siantifika mpanao fikarohana izy ity saingy taorian’ny fandinihana lalina natao tamin’ny toetoetran’ity biby ity kosa no nahafantarana fa karazam-biby vaovao mbola tsy nanaovana fanadihadiana izy io. « Madagascarophis lolo » no anarana siantifika nomen’ireo mpandinika azy io, izay ivondroan’ireo ekipa mpikaroka ao amin’ny mozean’ny siansa voajanahary any Losiane sy ireo siantifika avy ao amin’ny oniverisitean’i Mahajanga. Tsy hadino koa  ireo mpikaroka avy amin’ny mozea amerikana izay mpahay ny tantara voajanahary. Efa navoaka ao amin’ny boky siantifika “Copea” daholo kosa ny fikarohana sy ny fandinihana rehetra efa natao tamin’ity biby ity. Ny mampiavaka azy kosa dia noho izy manana maso mitovy amin’ny mason-tsaka.  Miloko volon-davenona ny hodiny ary any anaty haram-baton’ny tsingy no ahitana azy.

S.A.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre