Vous êtes ici :

Samedi 04 Mai 2024

ombre

Fanovàna « Permis Biométrique » – Mampimenomeno ny mpanjifa

Efa nanomboka tamin’ny faran’ny volana jolay sy fiatombohan’ny volana aogositra lasa teo no miteraka resa-be ny fanovana  ny fahazoan-dalana hamily fiara  ho « permis biométrique ». Misy amin’ireo tompon’andraikitra izay azo antso an-tarobia no milaza fa ampanina ny milina fanamboarana azy io. Misy kosa nefa amin’ireo mpanjifa izay mijoro vavolombelona amin’ny tambazotram-piarahamonina toy ny “facebook” no miresaka fa mizotra tsara ny fangalana azy io. Ny any amin’ny faritra moa tsy lazaina intsony fa dia misy tamin’ireo efa nanamboatra tamin’ny volana aogositra no mbola tsy nahavoaray ny “permis-ny” hatramin’izao na dia efa nahavita tanteraka ny dingana sy ny fikarakarana taratasy rehetra ilaina amin’izany aza. Noho izany, mizarazara ihany ny sain’ireo mpanjifa izay mbola tsy nahavita fanovàna ny fahazoan-dalana hamily fiara ho “biométrique”. Misy ny milaza fa tsindry bokotra ataon’ireo mpanao risoriso izany hanerena ireo mpanjifa handoa vola ankolaka. Marihina kosa fa nandritra ny fotoana nanaovana  ny fanadihadiana teny an-toerana dia mizotra soa aman-tsara ny fandraisana ireo olona hanova izany familian-dalana izany. Marihina fa 38 000 ariary ny vola aloa amin’izany, ankoatra ny dika mitovy ny fahazoan-dalana hamily sy ny vidina taratasy matevina na “carton chemise”, izay vidiana ao an-toerana 1000 ariary. Ny ankoatra izay dia risoriso mazava ho azy. Ny taratasy ilaina kosa dia ny dika mitovy ny kara-panondrom-pirenena, izay voamarin’ny solontenam-panjakana, fanamarinam-ponenana ary ny “permis” teo aloha. Tokony hoentina hatrany ny kara-panondro satria ilaina izany. Ary mila tonga maraina raha te ho afaka aloha.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre