Ambato Boeny – Vehivavy ny iray amin’ireo mpamono zandary
Tarika Barinjaka no anaram-bositra entin’ity andian-dahalo iray ikoizana any amin’ny distrikan’Ambato Boeny ity. Mian-dahy miam-bavy izy ireo ary nalaza tampoka tamin’ny resaka fanafihana sy famonoana zandary. Zandary miisa 2 no efa matin’izy ireo tao anatin’ny roa volana farany. Voasambotry ny mpitandro filaminana anefa ireo tena lohandohan’ny mpisorona sy mpitarika ity vondron-dahalo ity ka lehilahy miisa 3 sy vehivavy 1 no indray tratra. Nampitondra faisana sy nampihorohoro ny mponina any an-toerana ireto dahalo ireto satria nampiasa tetika tena mampivarahotsana tokoa. Ny mpitandro filaminana no jokoin’izy ireo amin’ny tampoka ary vonoiny amin’ny fomba feno habibiana. Mazava ho azy fa miraviravy tanana ny vahoaka manoloana izany fahasahiana sy sangy mihoatra ny loha izany ka tsy sahy mamaly rehefa sendra azy ireo. Sendra ny nahay azy ihany anefa ry Barinjaka ka tsy namelan’ny zandary raha tsy rava.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







