Vous êtes ici :

Jeudi 16 Mai 2024

ombre

Fanafihana tao Maintirano – Iray maty, naratra ny iray trano

Mandry tsy lavo loha ankehitriny ny mponina rehetra na an-tanàn-dehibe izany na ny any ambanivohitra noho ny fanafihana ataon’ireo tsy mataho-tody. Tsy mifidy ora sy fotoana intsony izany fa izay fotoana mahavonona azy ireo no anatanterahany ny asa ratsiny. Ireo izay mikasa ny hanakana kosa dia efa miandry azy ny vavam-basy. Matetika mantsy tsy mandeha tanam-polo izy ireo fa efa mirongo basy mahery vaika avokoa ary tsy mihambahamba mihitsy mitifitra izay manelingelina ny lalany. Toy izany indrindra no nahazo an’i Lefelo, raim-pianakaviana monina ao Sariritry any amin’ny Distrikan’i Maintirano, fatritra Melaky. Jiolahy miisa 4 mirongo basy sy antsy lava lela no nanafika ny tokantranony ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Raha ny vaovao azo dia nandeha tsirairay ireto mpanafika nisaoty ny tamboho izay azo lazaina fa avo dia avo tokoa. Rehefa tafiditra teo antokontany izy ireo dia niroso avy hatrany tamin’ny fanapitsohana ny varavarana tamin’ny alalan’ny fanalahidy vy. Raha vantany vao tafiditra tao an-trano izy ireo avy hatrany dia nitaky  ny vola sy ny firavaka sarobidy rehetra ka teo no saika hanoheran’ity raim-pianakaviana. Raha nahita izany fihetsiny izany anefa ireo jiolahy dia tsy nihambahamba fa nitifitra avy hatrany teo amin’ny faritry ny lohany ka maty teo noho eo ity farany. Novonovonoin-dry zalahy ary tapitra naratra mafy avokoa ireo fianakaviana tsy nety namoaka ny vola. Lasan’ireo jiolahy ihany anefa ny basim-borona iray sy lamba maromaro. Marihina fa mbola teo am-pisakafoanana tanteraka ireto fianakaviana tamin’io fotoana io. Nalefa eny amin’ny hopitaly Tambohorano avokoa ireo naratra rehetra. Ny Borigady Andranovao no manao ny fanadihadiana sy ny fanarahan-dia.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre