Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Herisetra sisa no vahaolana

Efa matetika isika no niresaka teto amin’ny bala ny risika hisian’ny lojikan’ny herisetra sy  ny fifandonana eto Madagasikara. Tato ho ato anefa dia tena voaporofo izany satria toa lasa ny fampiasan-kery sisa no vahaolana hitan’ny antokon’olona sasany entina hampanjakana ny heviny sy hampanginana ny hafa. Porofo iray amin’izany ny nahazo an’i Sareraka ilay mpanakanto ara-politika no sady mpanao politika ihany koa. Tsy vitan’ny nosomparana ny fiarany fa tena nodarohina ara-bakiteny mihitsy ny tenany. Daroka sy vono niniana natao ary heverina fa hafatra hampanginana azy sy ireo hafa izay sahy miteny maneho hevitra eto amin’ny firenena. Mahavery fanahy mbola velona raha toa ka tranga toy izany no miseho satria raha amin’ny vanim-potoanan’ny fandrosoana maneran-tany toy izao dia ny hevitra no ampiadiana fa tsy ny olona. Madagasikara rahateo dia firenen’ny vahoaka tia fihavanana ka tsy tokony hiroso amin’izany fikasihan-tanana nohon’ny hevitra tsy mitovy izany. Ambetintenin’ny mpitondra Fanjakana matetika ny firenena tan-dalàna ka rehefa misy ny tena tsy tanty dia afaka entina eo anoloan’ny manam-pahefana sy ny fitsarana izany handaminana ny raharaha. Ny mpitandro filaminana sy ny mpitsara ihany koa tsy mitsahatra mampatsiahy fa heloka ary melohin’ny lalàna ny fampiasan-kery.

Mipetraka ihany anefa ny fanontaniana hoe iza àry ny olona mahita tombontsoa amin’ny alalan’ny fampiasan-kery eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ny mikasika ireo nanapoaka grenady nahafatesana olona roa sy naharatrana marobe teny Mahamasina tamin’ny takarivan’ny 25 jona lasa teo ary tsy mbola nahitana mangirana ny fanadihadiana dia io indray fa mirongatra ny herisetra. Tsy mifanalavitra tamin’ny zava-nanjo ny lohandohan’ny mpisorona iray tany Fianarantsoa tamin’iny herinandro lasa iny ity tranga ity. Notafihin’ny olon-tsy fantatra mantsy ny birao fivoariany ary nisy fampiasan-kery tao, izay niafara tamin’ny fakana an-keriny. Tsy nisy nipika ihany koa ny fanadihadiana mikasika izany nefa dia hita mazava izao fa herisetra no nitranga. Tsy mifankaiza amin’izany ihany koa ny nanjo ny fianakavian’ilay solombavam-bahoaka iray monina eny 67ha. Andian-dehilahy manao fanamiana sivily no niditra tao an-tranony ary nolazainy fa nidaroka sy nitondra ireo ankizy tao an-trano.  Tranga hafakely mihitsy ity mitranga amin’izao fotoana izao ity ary mampatsiahy ny zava-nisy tamin’ny taona 2009. Tondro-molotra fotsiny tamin’izany fotoana izany dia misy manafika ny trano sady mamono sy mandroba ary mandoro ny fananan’ireo notafihina ny andian’olona izay tsy fanta-piaviana mazava hoe avy aiza ary iza no naniraka.

Mampanahy ny tranga toy izao ary mila mandray ny andraikiny ny fitondram-pajakana mba hanao fanadihadiana sy hilaza ny tena zava-misy marina satria ny asan-jiolahy aza tsy hita izay vahaolana dia io indray fa lasa fomba fanao ny manafika sy manao herisetra amin’ny mpanao politika. Mazava ho azy fa mitodika any amin’ny resaka valifaty politika avy hatrany ny sain’ny maro raha vao tsy misy fanazavana mitombina avy amin’ny mpitondra Fanjakana. Tokony fantatra aorian’ny fanadihadiana mantsy ny tena zava-misy marina na herisetra sy sotasota noho ny raharaha azy manokana any ambadimbadika any na kosa tena herisetra politika mihitsy no mahazo ireny lasibatra rehetra ireny. Mihorohoro ihany koa ny vahoaka satria tsy fantatra intsony izay zava-misy amin’izao fotoana izao. Toa lasa mifangaro ny tsy fandriam-pahalemana sy ny asa fampihorohoroana ary ny asa fanakorontanana izay mitovitovy avokoa ny fitrangany.  Ny fahasahiranana sy ny fahantrana efa mamely mbola mitebiteby amin’ny risika mety hisian’ny herisetra ihany koa. Sarotra ho an’ny olom-pirenena ny handray anjara amin’ny asa fampandrosoana raha toy izany ny zava-misy iainana eto. Mila fepetra hentitra avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana mihitsy mba hisorohana izao herisetra maimaimpoana mitranga etsy sy eroa izao.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre